Socio-eco

DIVAY MOKONAZY, ROTRA, PASTÈQUE, GOAVY TSINAHY: Tetikasa ana tanora Malagasy ampirantiana eny amin’ny FIA 2025


Manome lanja ireo tanora tompona tetikasa (startup) miompana amin’ny fanodinana vokatra avy amin’ny fambolena, ny fiompiana sy ny jono ny Foire Internationale de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (FIA), andiany fahafito. Nanomboka ny alakamisy 4 jona ny hetsika ka hatramin’ny alahady 7 septambra 2025, eny amin’ny CCI Ivato. Natambatra niaraka amin’ny FIA 2025 ny Festival International de la Gastronomie (FIG) andiany voalohany. Hita eny an-toerana avokoa ny rojo –pihariana amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono : manomboka any amin’ny famokarana ka hatramin’ny fanodinana azy ho lasa sakafo. Mandray anjara amin’ny FIA sy FIG ny Trophellia, orinasa  mpamokatra divay vita avy amin’ny  rotra (jamblon), voajabo (pastèque), mokonazy, paoma, goavitsinahy,  voaroihazo, fraise.

Niainga tamin’ny fikarohana nataon’i Miarantsoa Tinah, “génie des procédés chimiques et Industriels” nivoaka teny amin’ny Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) eny Vontovorona izay nanaovany thèse de doctorat,  ny taona 2021-2022 ny famokarana ireto divay ireto.  “ Ny rotra  no nanaovany fikarohana ho lasa divay ka  tafavoakany ilay izy. Ny  taona 2023 dia nanomboka namokatra divay ho amidy izahay. Teo no niforona ny orinasa Trophellia. Ny divay rotra no natao tamin’ny volaohany fa nitohy ny fikarohana dia efa mamokatra divay karazany fito izahay amin’izao: divay rotra (mena) , divay paoma (fotsy),  divay  voajabo( fotsy), divay goavitsinahy (mena)…”, hoy i Raharimanitra Corali, tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ny Trophellia.

Mety an’ny olona rehetra sy mitondra vokatsoa amin’ny fahasalamana

Nambaran’i Raharimanitra fa natao ho an’ny olona rehetra ny divay vokarin’izy ireo. “Tanora no namorona  ireto divay ireto. Niezaka namorona  divay azo sotroin’ny rehetra izy. Samy manana ny fahasalaman’ny olona: misy olona misy tosidrà tsy mahazaka divay, misy ihany koa no tsy mahazaka fermentation voaloboka. Araka ny  fanamarihana avy mpanjifanay dia tsy mahazaka  zavatra fermenté izy  kanefa nisotro divay rotra fa tsy maninona. Lasa mpivarotra ny vokatranay izy amin’ziao, any Fort-Dauphin”, hoy izy.

Nanamafy Raharimanitra fa noezahana notazomina ny zavatsoa entin’ireo voankazo ahdina ho divay. “Manankarena vitamin C, antioxydant  ohatra ny fraise. Manankarena vitamine  sy mineraly ho an’ny taolana ary manampy amin’ny fandevonan-kanina ny voajabo. Miaro amin’ny diabeta ny rotra, antioxydant, azo sotroina amin’ny fotoana ny divay rotra”.  20.000 Ariary ny vin’ireo karazana  divay ireo.

Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga ny FIA 2025. Ny Mada Vision no mikarakara azy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *