Tokony amin’ny farany volana desambra ho avy izao ny fem-potoana farany hanoloana ny taratasy fahazoan-dalana mamily na ny « premis de conduire » ho lasa « biométrique ». Ny 60 % amin’ireo manana izany ihany hatreto no mbola nandalo teny amin’ny Centre d’Immatriculation (CIM) Ambohidahy.
Anterivava : Yacinthe Rajaonarison
Herinandro vitsivitsy tsy hahatongavan’ny fotoana hifaranan’ny fanoloana azy, filaharana be eny an-toerana. Raha 300 isan’andro no antontan-taratasy voarain’ny sampandraharaha teo aloha, tafakatra hatrany amin’ny 1200 isa izany ankehitriny. “Miandry farany vao manao zavatra. Toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy mihitsy izany kanefa tokony hialana”, hoy ny Lehiben’ny CIM, Yacinthe Rajaonarison .
Nanome fanalavam-potoana noho izany ny fitondram-panjakana. Hitohy hatramin’ny faha-31 ny volana martsa 2017 ny fanavaozana ny permis de conduire.Tsy manan-kery kosa anefa izany ho an’ny carte grise. Amin’ny 31 desambra ihany no farany.
Anterivava : ANDRIANJOANIMANANA Joël
Araka ny fanazavany, nandritra ny fanavaozana ny permis de conduire sy ny carte grise, nihena ho 100 ny isan’ny hosoka raha 300 izany teo aloha. Mbola mitohy hatrany anefa ny asa fitsikilovana an’ireo mpanera sy mpanao kolikoly. “Tsy hisy ahafantatra mihitsy ireo mpitandro filamanana hanao izany ka tokony hitandrina ny tsirairay”, hoy ny Commissaire de Divisionnaire, ANDRIANJOANIMANANA Joël.
Nirina R.



