Vita ny an-tsapaka. Mizara vondrona dimy ireo firenena tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana CHAN 2022 atao any Algerie ny 13 janoary 2023 ka hatramin’ny 4 febroary 2023. Vondrona C no misy ny Barean’i Madagasikara. Miray vondrona amin’ny ekipam-pirenena Malagasy,  i Maroc, Sudan ary Ghana. Ireto kosa ireo ekipam-pirenena ao anatin’ny vondrona misy azy avy. Vondrona A, Algerie, Libie, Ethiopie, Mozambique. Vondrona B, Rd Congo, Uganda, Côte d’Ivoire, Senegal. Vondrona D, Mali, Angola, Mauritanie. Vondrona E, Cameroun, Congo, Niger
Ra-Nirina



