Auteur .


STAR sy ny Consulat de Monaco : Manavao fiaraha-miasa


Ny taona 2015 no efa niara-niasa ny Star sy ny consulat de Monaco eto Madagasikara, izay manohana ireo ankizy sahirana maro ahafahana mandrato fianarana.

 Araka ny fanambaran’ny UNICEF dia 10% amin’ireo zaza 2 tapitrisa, telo hatramin’ny enin-taona, eto Madagasikara no tafiditra kilasy famolavolana ho an’ny daholobe. 75% ireo ankizy tafiditra ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny telo amin’ireo folo ihany no tonga eny amin’ny sekoly ambaratonga faharoa.

Continuer la lecture


Noborahan-dRajoelina ny resaka : « Misy maisatra tarihana ny mpiara-miasa amiko »


Notanterahina teny amin’ny lapa-panjakana Iavoloha ny 20 Janoary 2020 ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teo amin’ireo mpanao gazety sy ireo tompon’ orinasan-tserasera izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Rakotonirina Gérard.

Nandritra ity fifampiarahabana ity no nanamafisan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry fa manana lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety noho ity asa ity mitondra fanabeazana eto amin’ny firenena. Na samy manana ny firehany aza ny haino aman-jery dia tsotra ny tanjona, ny mba hilaza ny vaovao marina. Continuer la lecture


Ny dian’ny mpivahiny : COREE


Mbola ny ilany atsimo atsinanan’ny kaontinanta aziatika ihany no itondrana antsika mpamaky manaraka ny Dian’ny Mpivahiny. Aorian’i Thaïlande dia Corée no hotsidihantsika. Tamy ny andron’ny Repoblika Faharoa rehefa miresaka Corée, dia Corée Avaratra izay. Ankehitriny kosa, dia ny Atsimo no resahana raha Corée no tantaraina. Continuer la lecture


Rano? Ilaina saingy lasa olana…


Mahafinaritra ilay resaka hifanentanana hoe : « Sasao  ny tananao ». Inona tokoa moa no lanjan’izany rano izany eo amin’ny fiainan’ny mponina amin’ny andavan’andro ? Tsy haingo io na haitraitra, ary tsy manavaka na iza na iza fa ilain’ny rehetra. Mahavita dia lavitr’ezaka manodidina ny 6 kilaometara ny mpantsaka rano vao mba mahazo rano ho fisotro sy ho fisasanana hanaovana ny kenokeona andavan’ando raha ny tontolo iainan’ny Gasy amin’izao fotoana izao. Tena mandeha lavitra ny tanàna izany ry Ravaomaria e ! Mandany fotoana ela satria io 6 km io dia adiny iray (raha haingana indrindra) no hanaovana azy. Dia inona moa no fahadiovana azo amin’izany ? Aiza no hisy rano hariam-potsiny amin’ ity tanana ho sasana madio ity? Continuer la lecture


PASSATION DE FANION FFPM : De Calviniste au Luthérien


Le temple d’Ambatovinaky, capitale du Luthérianisme à Madagascar, a hébergé dimanche 05 janvier 2020 après-midi le culte d’action de grâce, relatif à la passation de responsabilité quant à la présidence tournante de la FFPM (Fédération des Eglises Protestantes de Madagascar). Le Dr Irako Andriamahazosoa Ammi (le Président de la FJKM a obtenu son Ph’d) a remis la flamme de l’œcuménisme inter-protestant au Dr Rakotonirina David (Président de la FLM). Continuer la lecture


RAHARAHA ASSURANCE MAMA: “Tsy ara-dalàna ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana”


Manizingizina.  Manoloana ny filazam-baovao niparitaka tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala  fa zanaky ny mpitondran’ny tranom-piantohana  MAMA teo aloha izay anisany nampibaby trosa ity tranom-piantohana ity, ny iray amin’ ireo andian’olona milaza fa tsy ara-dalàna ny fitantanana dia namaly izany ity voatonona ity, ny 10 desambra 2019. Continuer la lecture