Anterivava : Landry RAMBELOMANANA
Tsy asa soa fa asa fanarenana olona iray ny asa sosialy. « Mamerina olona iray amin’ny tena maha olona azy ny asa sosialy », hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny ISTS ( Institut Supérieur de Travail Social ), Landry RAMBELOMANANA. Ho an’ny fikambanana « ECPAT France Madagascar », miady amin’ny fanararaotana mamoa fady atao amin’ny ankizy. Mandray an-tanana ireo zaza ireo zaza iharan’ny fanararaotana mamoa fady misy takalony, toy ny fivarota-tenan’ny ankizy ny fikambanana.
Anterivava : Christian RAKOTOMANANA
« Miara-miasa amin’ny polisy sy ny zandary ary ny mpitsabo misahana ny zon’ny ankizy izahay. Mandray an-tanana ilay ankizy niaram-boina ary manoro lalana ny fianakaviana amin’ny tokony atao amin’ny resaka lalana », hoy ny mpanabe ao amin’ny « ECPAT France Madagascar », Christian RAKOTOMANANA. Ankoatra ny fitsabona ireo ankizy niharan’ny fanararaotana mamoa fady amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, manoro lalana azy amin’ny seha-piariana. Nambarany ihany koa fa tsy mitsaha-mitombo ny asa fivarotan-tena ataon’ny ankizy hatramin’izay niasany izay noho ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny, tsy fandraisana an-tanana avy amin’ny fanjakana, tsy fahalalana amin’ny ankapobeny ny lalana.
Lynda A.



