Mitaintaina ireo mponina. Nahare feo ireo mponina monina ao Amborompotsy, Fokontany Tsarahasina Kaominina Ambohimangakely fa aorian’ny fetin’ny fahaleovan-tena no ho avy ny bulldozer handrava ny trano rehetra eo amin’ny tany antsoina hoe Manankasina III. Raha ny zavatra nitranga ny  25 aprily 2023 , nisy ny fanatanterahana didim-pitsarany ka  nandefa vadin-tany sy mpitandro filaminana ny mpiandraikitra ao amin’ny Eglizy Katolika Apostolika Romanina (EKAR) – Arsidiosezin’Antananarivo ny  25 aprily 2023  ka trano ampolony maro no narodan’izy ireo sy nopotehina tamin’izay fotoana izay. Mitondra ny ny titre laharana 4041-BAV ity mampifanolana ny EKAR sy ny mponina monina eo amin’ny tany. Fanontaniana apetrak’ireo mponina dia hoe aiza ny fitsinjovan’ny Eglizy Katolika ny mahantra sy ny marefo nefa fatra mpilaza mpiahy azy ireo? Satria olona sahirana ara-pivelomana ireo monina eo amin’io toerana io.
Ny fototry ny olana mahatonga ny fifanolanana tsy misy fiafarana eo amin’ny roa tonta dia ny fisian’ny laharana Titre roa samihafa amin’io Tany antsoina hoe Manankasina III iodia ny Titra 1802 sy 1809, , hoy i Eric Raparison, mpandrindra nasionalin’ny Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany (SIF). Amin’ny andaniny ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (Topo) dia manamarina fa ny tany atao hoe Manankasina III dia mitondra ny titra laharana 1802, amin’ny ankilany kosa ny sampandraharahan’ny fananantany (Domaines) dia manamarina fa ny tany atao hoe Manankasina III dia mitondra ny titra laharana 1809 :
–  Araky ny saritany ofisialy (Topo), tamin’ny 02 Novambra 2022, nomen’ny sampandraharahan’ny fananantany Avaradrano, sampana fandrefesan-tany, ny tany atao hoe Manankasina III dia mitondra ny titre 1802, izay nivadika ho Titra laharana 977-B, ary avy eo lasa Titra laharana 4041-BAV ao amin’ny Fokontany Tsarahasina-Amborompotsy, Kaominina Ambanivohitra Ambohimangakely.
–  Ireo antontan-taratasy ofisialy tranainy sy ankehitriny maro samihafa (avy ao amin’ny Domaines) dia manondro fa ny tany atao hoe Manankasina III, dia avy amin’ny titra laharana 1809 niforona tamin’ny andron’ny fanjanahantany (14/02/1903) no niandohany, izay lasa 977-B ary nivadika ho 4041-BAV ankehitriny, ary voalazan’ireo antontan-taratasy ireo fa fananan’ny EKAR io 4041-BAV io :
         *Araka ny dika mitovy ny fonon’ny bokin-tany tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany momban’ny « Réquisition n°2486 » dia ny tany atao hoe Manankasina III dia mitondra ny laharana Tn° 1809 izay niova Tn°977-B.
         * Ny dika mitovy ny « Titre de Concession Définitive à Titre onéreux » izay nomen’ny République Française (Tamin’ny andron’ny Fanjanahan-tany), Service des Domaines, tamin’ny 10 Aprily 1904, dia manambara fa ny tany antsoina hoe MANANKASINA III, mirefy 31ha 48a 80sa, dia mitondra ny laharana TN° 1809.
          * Ny « Certificat Numérique d’immatriculation et de situation juridique » nomen’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fananantany, tamin’ny 26 Oktobra 2022, dia manambara fa ny Tany atao hoe Mananakasina III, mitondra ny titre laharana 4041-BAV dia fananan’ny Eglizy Katolika Apostolika Romana (Archidiocèse de Tananarive), ary io Titra laharana 4041-BAV io dia voatondro fa avy amin’ny Titre N° 977-B.
         * Ny « Attestation » izay nomen’ny « conservation de la propriété foncière », tamin’ny 25 Novambra 2022, dia manamarina fa ny Titra 1809 no atao hoe Manankasina III.
Raha ny lojika no arahana dia ny manondro ny toerana misy ny tany dia ny saritany avoakan’ny sampandraharahan’ny fandrefesan-tany (Topo), ary ny antsipirian’ny antontam-baovao mahakasika ny araka ny lalà na kosa dia ny sampandraharahan’ny fananantany (Domaines) no mamoaka azy.
Raha fehezina izany, araka ny lojikan’ny fitantanana ny raharahan-tany eto Madagasikara dia tsy eo amin’ny tany mitondra ny titra laharana 1802, izay nisy ny fandravana ny tranon’olona, ny tanin’ny EKAR, fa kosa ny tany izay mitondra ny laharana 1809 izay lasa 977-B sy 4041 BAV no fananany. Ny sombin-tany iray dia tsy mitondra laharana titra roa samihafa velively, koa tsy azo heverina ho mitombona velively ny hoe ny titra laharana 1802 sy 1809 dia samy Manankasina III avokoa, ka mitovy ny antontam-baovao raiketiny.
Mametraka baraingo ny Collectif pour la défense des terres malgaches, Tany sy ny Sehatra Iombonana hoan’ny Fananantany – Solidarité des Intervenants sur le Foncier (SIF) hoe Aiza marina izany ny misy ny Tany mitondra ny laharana 1809 izay niandohan’ny Titra laharana 4041BAV ankehitriny, izay fototry ny adin-tany ? Maninona ny saritany 1802 no mitondra ny antontam-baovao rehetra mahakasika ny 1809 ?
Mitaky noho izany izy ireo mba hisian’ny filaminana izay andrasan’ny rehetra, na ny andaniny na ny ankilany ny hamoahana tsy misy fepetra ny saritany mifanitsy amin’ny titra 1809, fa ny titra 1802 dia efa nomen’ny sampandraharahan’ny fananantany ny saritany ofisialy.  Hanafoanana ny fahazoan-dalana hanorina tamboho sy rindrina fanakanana ny là lana fivezivezen’ny besinimaro eo amin’ny 1802 (Marihana fa misy tanimbary, trano fonenana, fasana maromaro ary là lana fivezivezena ao anatin’io tany votondron’ny saritany ofisialy mitondra ny laharana titra 1802 io). Hanonerana ny simba sy ny fahaverezan’ny tombotsoa ho an’ireo rava trano avy amin’izay tompon’andraikitra rehetra nanafangaro ny antontam-baovao nahatonga izao korontana fampahantrana lalina ny olom-pirenena izao. Mangataka ny tomponandraikitra isan’ambaratonga sy isan-tsokajiny ao amin’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Sampandraharahan’ny Fananantany, ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana voakasika ary ny Conférence Episcopale eto Madagasikara izy ireo mba  handray ny andraikitra rehetra sy fanapaha-kevitra mifanitsy aminy tsirairay avy. Handrara ny mbola hisian’ny fandravà na trano, na amin’ny alalan’ny bulldozer na amin’ny alalan’ny herin’ny be sandry sy ny mpitandro filaminana.
Nangonin’i Ra-Nirina



