Socio-eco

AMBATOVY : Fanolorana ny drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) ho an’ireo kaominina voakasiky ny asa fitrandrahana


Notanterahina tao Toamasina ny 29 jona 2023 ny fanolorana ny Drafi-pampandrosoana ny kaominina (PCD) ho an’ireo Kaominina ambanivohitra any amin’ireo faritra voakasiky ny asa fitrandrahana ataon’Ambatovy sy ny Drafitra fampiasambola (PIC) hoan’ny Kaominina an-drenivohitra Toamasina sy Moramanga. Vokatry ny fampandraisana anjara ny rehetra ka nifandrimbonan’ireo vondrom-piarahamonina ifotony sy ny tomponandraikitra eny an-toerana sy eo anivon’ny faritra ireo antontan-kevitra ireo ary fitaovana izay tena ilain’ireo kaominina amin’ny fametrahana an-tsakany sy an-davany ny fampandrosoana eny amin’izy ireo. Fifaliana lehibe ho an’Ambatovy ny nanohana ity tetikasa ity, izay niarahany niasa tamin’ny ONG SAHA teo amin’ny lafiny teknika, tamin’ny alalan’ny Tetikasa Tsara Tantana, iray amin’ireo tetikasa novatsian’ny Tahiry ho an’ny Tetikasa Sôsialy sy Fotodrafitrasan’Ambatovy na ny FIS. « Zava-dehibe tokoa izao fanohanana izao ho fampiroboroboana ny fampiasambola tomponandraikitra mijery manokana ny lafiny sôsialy sy ny fitondrana tsara tantana eo anivon’ireo kaominina sy ny vondrona kaominina mba hiantohana ny fampandrosoana eny ifotony sy lovainjafy ho an’ny besinimaro », hoy ny Filoha lefitra misahana ny fifandraisana ivelany sy amin’ny Governemanta, ary ny seraseran’Ambatovy, Philippe Beaulne, nandritra ny lanonana fanolorana ny PCD tao Toamasina. Kaominina 13 ao amin’ny Faritra Atsinanana, ahitana ny Kaominina Amboditandroho, kaominina ambanivohitra Toamasina, Fanandrana, Ampasimadinika, Ranomafana Est, Ampasimbe, Antsapanana, Razanaka, Brickaville, Vohitranivona, Ambalarondra, Ambinaninony, Anivorano Est, ary ny kaominina Morarano Gara ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro no nahazo ny PCD. Marihina fa tamin’ny taona 2020 no efa natolotra ireo kaominina hafa voakasiky ny asa fitrandrahana ataon’Ambatovy ny PCD ho an’izy ireo. Marihana fa nametraka ny Tahiry ho an’ny Tetikasa Sôsialy sy Fotodrafitrasa (FIS), izay misanda 25 tapitrisa dôlara, Ambatovy ny taona 2012 ho fanohanany tetikasa sôsialy sy fananganana fotodrafitrasa eny amin’ireo faritra iasany, izay niarahany nanapa-kevitra tamin’ireo vondrom-piarahamonina ifotony sy ny Fanjakana Malagasy. Isan’ireo tetikasa vatsiana amin’ny alalan’ny FIS ny Tetikasa Tsara Tantana ho fanohanana ny fitondrana tsara tantana amin’ny alalan’ny fametrahana fandrosoana lovainjafy ho an’ireo taranaka ho avy.

Nangonin’i Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *