Tokony hisitraka famatsiambola matanjaka amin’ny ady fiovan’ny toetrandro i Madagasiakra. Firenena marefo amin’ny voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro ny firenena malagasy kanefa kely ny fandraisana anjarany amin’ny famoahana ny entona mangeja hafanana amin’ny sehatra irasaim-pirenena (0,2 %). Ao anatin’ny famolavolana ny antontan-kevitra iatrehana ny fiovan’ny toetrandro andiany fahatelo ny firenena malagasy na Contribution Déterminée au niveau national (CDN 3).
Fepetra takiana amin’ny firenena tsirairay nankatoa ny « Accord de Paris » na fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiatrehana sy fanalefahana ny fiovan’ny toetrandro sy mikendry ny famerana ny hafananan’ny tany tsy hihoatra ny 1,5° C ny fanaovana ny CDN. Ao anatin’io no hamaritan’ny firenena tsirairay ny fomba hampihenana ny famoahana ny entona mangeja hafanana, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro ary ny hetsika sy politika ataony amin’ny taona ho avy. Havaozina isaky ny dimy taona izy ity.

Mikarakara atrikasa fakan-kevitra nasionaly ho famolavolana ny CDN 3 ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, amin’ny alalan’ny birao nasionaly misahana ny fiovan’ny toetrandro sy ny fampihenana ny entona mangeja hafanana vokatry ny fandripahana sy fahasimban’ny ala na BNCCREDD+.Tanterahina ny 11 sy 12 martsa 2026, eny Anosy izany.
Miisa 180 no mandray anjara amin’izany, ahitana mpisehatra marolafy avy amin’ny ministera, vondrona itsinjaram-pahefana, firaisamonim-pirenena, fikambanam-behivavy sy tanora, sehatra tsy miankina, mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, manam-pahaizana eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Tanjona amin’ity atrikasa ity ny fampahafantarana ny fomba fiasa sy firosoan’ny asa amin’ny fandrefatana ny CDN ; fihainoana ny mpisehatra sy fanangonana ireo laharam-pamehana isan-tsokajiny momba ny fanalefahana ny fiovan’ny toetrandro amin’ny sehatry ny angovo, fambolena, ala, fitaterana, fitantanana ny fako sy ny fiatrehana izany amin’ny sehatry ny rano, fahasalamana, fambolena, foto-drafitr’asa, karajavamananaina ; ny fepetra hanarenana ny fatiantoka sy fahasimbana vokatry ny fiovan’ny toetrandro ; ny fampidirana ireo lohahevitra marolafy toy ny miralenta, fampiatiana ara-tsosialy, ny fahasalamana, ny tanora, ny toekarena manga, ny zon’olombelona sy ny fahampian-tsakafo.
Ahazoana famatsiambola
Hamadika ny fandraisana andraikitra nasionaly ho asa mivaingana amin’ny fampihenana ny entona mangeja hafanana, fiatrehana ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetrandro, fanarenana ny fahavoazana sy fahasimbana fa indrindra mitady famatsiambola ny CDN3.
« Tsy hipetraka ho fakan-kevitra ity atrikasa ity fa amin’ny maha antontan-kevitra stratejika ny CDN dia io fototra iorenan’ny ady rehetra amin’ny fiovan’ny toetrandro, fototra ahafahana mandresy lahatra ny any ivelany ain’ny famatsiambola entina amin’ny fiovan’ny toetrandro », hoy i Andriatsihala Aristide sekretera jeneralin’ny MEDD.
Nambaran’i Ravelomanana Lovakanto, mpandrindra ny BNCREDD+ fa afaka mandray njara amin’ny fanalefahana ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro i Madagasiakra. « Firenena mitroka entona mangenja hafanana i Madagasikara. Ny alantsika no tena mandray anjara amin’ny fitrohana ny karbôna. Etsy andaniny manana angovo azo havaozina azo trandrahana, toy ny masoandro, rivotra. Mbola be dia be ny famasiambola afaka karohantsika”, hoy izy.
Efa nisy fakan-kevitra isam-paritra talohan’izao ka ny fehin-kevitra mivoaka mandritra ity atrikasa ity dia hanampy amin’ny famitana ny famolavolana ny drafitra fahatelo iatrehan’i Madagasikara ny fiovan’ny toetrandro.
Lynda A.



