Socio-eco

4 G ORANGE : Hiroborobo hatrany sehatry fambolena.


Anisany faritra mamatsy ny vokatry ny  fambolena an’i Madagasikara i Antsirabe. Hanampy betsaka ireo mpandraharaha amin’ity sehatry ity noho izany ny fahatongavan’ny “réseau 4 G” an’ny orinasa Orange. Varavarana ahafahana manaparitaka ny vokatra na eto amin’ny tsena anatiny na any ivelany ny fampiasana  aterneto  haingam-pandeha. “Mampivoatra ny fandraharahana amin’ny lafiny fambolena   ny fampiarahana  izany amin’ny  teknolojia vaovao”, hoy ny Tale Jeneralin’ny Orange, Michel Degland.

Ankoatra ny fambolena sy fiompiana,   mampiroborobo ny toekarenan’Antsirabe ny fizahan-tany.  Hahazo tombony amin’ny fiparitahan’ny “réseau 4 G” an’ny Orange ihany koa ireo mpandraharaha miasa manodidina izany.

Fotoana iray nahafahan’ny orinasa nitafa sy nihaino ny hetahetan’izy ireo ny  lanonana fanaparitahana tamin’ny fomba ofisialy ny “réseau 4 G” izay  natao tany Antsirabe  ny 03 novambra 2017.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *