Nahazo aina vaovao ny Maison Digitale ho an’ny vehivavy ao Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, noho ny fanohanan’i Orange Solidarité Madagascar tamin’ny alalan’ny namatsiany vola ho fanarenana ny trano sy ny fametrahana fitaovana hamatsina herinaratra avy amin’ny masoandro. Tanjon’ity ivon-toerana ity ny hanohanana ny vehivavy ahaleon-tena amin’ny alalan’ny fanabeazana sy ny fahaiza-manao nomerika.
Nanomboka ny taona 2019, ity tetikasa iarahan’ny Soroptimist Club Mandrosoa sy Orange Solidarité Madagascar ity dia nanome fiofanana mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ny vehivavy, ahitana ny fidirana amin’ny nomerika toy ny fampiasana tablette sy ny famolavolana ahafehy ny fitantanana.
Ny 28 janoary 2026, nandritra ny lanonana fandraisana ny asa vita, dia vehivavy 11 no nahazo mari-pahaizana, teo anatrehan’ny tale lefitry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina Analamanga. Fahaiza-manao mivaingana, afaka ampiasaina eo noho eo amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fandraharahana, no noraisina nandritra ny fiofanana.
Efa nahitana vokatra mivaingana ny fandaharan’asa, satria vehivavy telo efa niofana tao no nahazo loka “Coup de cœur au féminin” avy amin’ny Fondation Orange, ka nahafahan’izy ireo nanangana sy nampivelatra tetikasa fivelomana. Anisan’izany i Ramatoa Miora, izay nanangana fivarotana kely hivelomany.
Araka ny fanazavan’i Benja Arson, Filohan’i Orange Solidarité Madagascar, manan-danja lehibe amin’ny fampandrosoana ny vehivavy manana fahaiza-manao nomerika sy ny fahaleovantena ara-bola. Hatramin’izao, efa ho vehivavy zato, mizara ho andiany enina, no efa nisitraka ny fiofanana tao Ambohidehilahy.
Ankoatra izany, nizara kilalao ho an’ny ankizy ao amin’ny crèche eo an-toerana i Orange Solidarité Madagascar, ary nitsidika ny toby fitsaboana natsangan’ny Soroptimist Club Mandrosoa.
Manerana an’i Madagasikara, Maison Digitale miisa 45, miparitaka amin’ny faritra 14, no efa manohana vehivavy sy tovovavy an’arivony ho amin’ny fahaleovantena sy ny fahombiazana, noho ny hetsika entin’i Orange Solidarité Madagascar.
Ra-Nirina


