Socio-eco

TETIKASA AROPA: Nampiova ny fari-piainan’ny tantsaha


Nahitam-bokatra ny tetikasa AROPA (Appui au Renforcement des Organisations Professionnelles et aux services Agricoles) tao anatin’izay folo taona niasany teny amin’ny tontolo ambanivohitra izay. Ny  Fonds International de Développement Agricole (FIDA) no namatsy vola ity tetikasa eo ambany fiahian’ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (MAEP) ity. Tamin’ny taona 2009 no nanomboka ny tetikasa AROPA izay nanohana ny fikambanana tantsaha ho lasa matihanina. Nofaranana tamin’ny alalan’ny atrikasa fanombanana ny zava-bita, ny 04 aprily 2019 teny amin’ny hôtel Panorama, Andrianarivo.  “Atrikasa famaranana ny tetikasa nanaovana tatitra, nijerena ny vokatra azo, ny lesona azo tsoahina sy ny paika ho enti-miatrika ny tetikasa manaraka ity fihaonana ity”, hoy ny talen’ny FIDA eto Madagasikara. Faritra dimy any Atsimon’i Madagasikara  no niasan’ny tetikasa: Haute Matsiatra, Amoron’i Mania, Anosy, Androy, Ihorombe. Fikambanan’ny tantsaha mpamokatra miisa 2800 no nahazo fanohanana ara-bola, ara-pitaovana ary ara-teknika. Nosafidiana manokana ireo tantsaha madinika. Tokantrano 75.000 kosa no nisitraka mivantana izany. Ho fampivoarana ny asa fiveloman’ireo tantsaha mpamboly, mpiompy ho lasa matihanina  no tanjon’ny tetikasa. Ao anatin’izany ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha sy ny fampitomboana ny fidiram-bolan’izy ireo ary  fampiakarana ny tahan’ny vokatra.

Fiovàna goavana

 “Niteraka voka-tsoa ny tetikasa raha ny horonantsary nojerena nandritra ny atrikasa. Ny tetikasa no tapitra fa fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra mba ahafahan’i Madagasikara mahavita tena ara-tsakafo. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny fanjakana rahateo izany”, hoy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Ranarivelo Lucien. Tantsaha mifototra amin’ny fambolena vary, katsaka, tsaramaso, tongolo, fiompiana trondro sy zana-trondro, omby vavy be ronono… no nahita tombontsoa tamin’ny AROPA. Raha ny tombana dia 3.768.000 Ariary isan-taona ny vola niditra, isaky ny famokarana tantanam-pianakaviana noho ny tetikasa AROPA. Ho an’i Mampianasoa Charline, filohan’ny fikambanana Soa Fianatra ao amin’ny faritra Ihorombe dia niakatra enina taonina isaky ny hektara ny voka-bary raha toa ka iray hektara izany taloha. Porofo mivaingana ihany koa ny an’ny mpiompy zana-trondro iray satria 43 miliara ariary ny vola niditra taminy nandritra ny tetikasa. Nisy tamin’ireo mpahazo tombontsoa ihany ny nahavita nanangana trano, nahatafita ny zanany teny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony… Asa mahavelona ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono rehefa tsara tohana ireo tantsaha.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *