Antony lehibe hanaovana ny Marathon International de Tana (MIT) ny fandraisana anjara amin’ny ady atao amin’ny tsimokaretina VIH/ SIDA. Fanindroany amin’ity andiany faha-17 ity no nanohana ny hetsika ny eo anivon’ny sekretera mpanatanteraka ny komity nasionaly miady amin’ny SIDA (SE/CNLS). Mampirindra ny fahasalamana ny fanaovana fanatanjahantena. Misoroka ny fiakaran’ny tosi-dra, ny hatavezana…Hampihena ny fihanakin’ny aretina amin’ny olona voan’ny Sida ny fanaovana izany.
Ankoatra izany, hanampiana ireo zaza vao terak mitondra ny VIH/SIDA ny 20 % vola azo avy amin’ny fisoratana anarana amin’ny fandraisana anjara amin’ny MIT.
« Ndao hihazakazaka hiady ny SIDA ». Io no lohahevitra hibahana mandritra ny MIT ny 02 sy 03 desambra 2017. Nirina R.