Miditra amin’ny andiany faha-efatra ny « salon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi ». Ny alakamisy 6 sy ny zoma 7 septambra 2018 eny amin’ny Esplanade an’ny Oniveriste Antananarivo no hanatanterahina izany. Hetsika iarahan’ny oniversite Antananarivo, ny ivon-toeram-pikarohana, ny fivondronan’ny mpandraharaha Malagasy (FIVMPAMA)ary ny vondron’ny orinasa tsy miankina (GEM) izy ity. Tanjon’ny hetsika ny fampahafantarana voka-pikarohana nataon’ireo mpikaroka-mpampianatra, mpampianatra-mpikaroka ary ny mpianatra mpikaroka eny amin’ny anjerimanontolo amin’ireo mpandraharaha sy orinasa mba ahafahan’ny vahoaka misitraka izany. “Rehefa misy ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta dia mitarika any amin’ny famoronan’asa izany”, hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny oniversite Antananarivo, Evelyne Rocquie Rabemanantsoa nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 03 septambra 2018.
Amin’ny maha hetsika natao hampiroboroboana ny orinasa sy ny fampanan’asa dia manohana hatrany ny « salon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi » ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa (OIT). Ankoatra ny fampirantiana ireo voka-pikarohana, ho resahana mandritra ny famelabelarana arahina adi-hevitra ireto lohahevitra ireto: ny fampananan’asa, ny fiarovana ny fizaka-manana ara-pamoronana, ny fitadiavana famatsiam-bola ho an’ny tetikasa…Maro tsy voatanisa ny voka-pikarohana nataon’ireo mpikaroka Malagasy saingy mijanona an-taratasy ihany ny ankamaroan’izy ireny. Ny enti-manana hampiharana azy no tena sakana. Fanamby ny « salon de la recherche au service de l’économie et de l’emploi » ny famadihana azy ireny ho lasa fihariana sy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.
Lynda A.



