Socio-eco

STARTIMES : Miandry ny mpanjifa ny « abonnement » maimaim-poana


Hiara-hankalaza ny fetin’ny noely amin’ny mpianakavy ny Startimes. Izay mividy “décodeur” Startimes dia mahazo “abonnement” roa volana be izao. Hita ao avokoa ireo “chaînes” rehetra. Mahazo “abonnement” 15 andro fanampiny maimaim-poana ireo manao “réabonnement” iray volana sy tapany amin’ny alalan’ny “application”. Azo atao ihany koa manao « réabonnement » isan’andro na isan-kerinandro. Nambaran’ny tale ara-barotry ny Startimes, Aina Ralai fa azo jifaina manomboka izao ary mifarana ny 31 janoary 2018 io tolotra io.

Manana ny vina ny Startimes mba samy mahita sy manjifa ny televiziona nomerika ny eto Madagasikara. Ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpianakavy, natao hifanaraka amin’ny sokajy ny tsirairay ao an-tokantrano ireo karazana “chaîne” ao amin’ny Startimes. Raha ho an’ny lehilahy, “chaînes” 12 natokana ho an’ny fanatanjahantena. Ho hita ao anatin’ny startimes manomboka amin’ny 4 desambra lalao baolina kitra iadiana ny tompondaka ao Italie (Copa Italia). Handray anjara amin’izany Ronaldo. Ankoatra ny “chaînes ” enina natokana ho an’ny ankizy, nanokana “chaîne” ST kids ny startimes ho famalifaliana ny ankizy mandritra ny vakansy ny noely. Tsy adino ireo vehivavy fa “chaînes” sivy be izao mandefa ny “série” (indien, sud-américain, brésilien). Azo arahina ao amin’ny startimes ihany koa ireo televiziona eto an-toerana toy ny TVM, Dream’in, VIVA,MBS, On Air, AZ TV. Amidy 20.000 Ariary ny “bouquet startimes smart” misy « chaînes » mihoatra ny 70. Mitentina 40.000 Ariary kosa ny “bouquet startimes plus” izay misy « chaînes » mihoatra ny 100.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *