Hotolorana amboara sy mari-pankasitrahana ireo mpanakanto mendrika indrindra tamin’ny taona 2017. Ny 03 febroary 2018 eny amin’ny CCI Ivato no hanomezan’ny onjam-peo RDJ, FM 96.6 izany amin’ny alalan’ny « RDJ Mozika Award ». Mpanakanto Malagasy an-jatony mizara ao anatin’ny sokajy 22 voasafidy ho mendrika indrindra tamin’ity andiany faha-13 ity. Ireo mpanakanto nanatitra ny hirany tao amin’ny onjam-peo ka nandalo fihainoana mialohan’ny handefasana azy ao amin’ny onjam-peo na tsia sy nangatahan’ny mpihaino be indrindra ny fomba nisafidianana ireo mpanakanto. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny RDJ, Tahiana Rasolojaona, samy hahazo mari-pankasitrahana ireo mpanakanto isaky ny sokajy. Mbola handalo fisafidianana farany izy ireo satria hotolorana amboara izay mpanakanto be mpifidy indrindra.
Sokajy vaovao
Nosokajiana arakaraka ny gadon-kira sy ny hira naha mendrika azy tamin’ny taona 2017 ireo mpanakanto. Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny sokajy vaovao toy ny « mozika RNB » izay ahitana an’i Welvi Waves amin’ilay hira mitondra ny lohateny hoe : « Aminao », Shyn amin’ny ilay hira « Overdose », Melanie Walker « rahoviana », Lion Hill « Hikeo », Rak Roots « Mandefitra » ary Chantal « First love ». Mpanakanto tsy henoheno tamin’ny sehatry ny mozika ny tarika Rebika, Parson Jacques, 18.3, Da hop ary Faniah. Niverina niseho indray izy ireo tamin’ny taona 2017 ka anisany tafiditra ao anatin’ny mpanakanto mendrika indrindra, sokajy vaovao « Come back de l’année ». Tsy ireo mpanakanto ihany no hahazo mari-pankasitrahana sy amboara fa ireo mpikarakara ny fampisehoana an-tsehatra nataon’i Wawa tao amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny tarika Mage 4, Ricky, Samoela sy ny « Tana in Rock », izay samy natao tao Antsahamanitra.
Nohamafisin’ny mpikarakara ny hetsika fa amin’ny alalan’ny fandefasana SMS na ny tranokalan’ny onjam-peo www.rdj.mg ny fomba fifidianana ireo mpanakanto mendrika indrindra isaky ny sokajy. Hifarana ny andron’ny « RDJ Mozika Award » amin’ny 12 ora atoandro ny fifidianana.



