Mpiasan’ny kaomina 12 tao Toamasina I no naratra mafy vokatry ny fifandonana nisy teo amin’ireo zatovo miara-dia amin’ny ben’ny tanàna omaly maraina. Vokatr’izany fifandonana izany dia maro ireo naratra tsy maintsy namonjy toeram-pitsaboana, nisy olona roa hafa ihany koa voalaza fa tsy hita nanjavonana taorian’ny fifandonana.
Anton’izao fifandonana izao dia noho ny tsy mbola fandoavana ny karaman’ireo mpiasa ka mahatonga ireo mpiasa mitokona, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpiasa. Misy ihany koa anefa ireo mpiasa izay niveriana miasa ao anatin’ny kaominina saingy ireo mpiasa manao ny taratasy momban’ny fahafatesana sy fisoratam-panambadiana no miasa. Efa milamina kosa amin’izao fotoana izao ny toe-draharaha. Ny mampametram-panontaniana ny maro dia nankaiza ny vola? Toa maneno sahona avokoa ny mpiasa rehetra manoloana ny volam-panjakana very an-javona. Sa dia samy mikepoka izay sendra azy?


