Socio-eco

IKM: Mampidi-bola ny kolontsaina


Feno dimy taona ny IKM na Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy. Notontosaina omaly 19 aprily 2018 ny lanonam-pankalazana ary tao amin’ny foiben-toerany, Antsahavola ihany no nanatanterahina izany. Mifototra amin’ny fivoizana ny kolontsaina Malagasy ny asan’ny IKM. Ankoatra ny fampiantranoana hetsika ara-kolotoraly, famelabelaran-kevitra, nanokatra trano famakiam-boky, “médiathèque” ihany koa ny IKM. “Misokatra ho an’ny rehetra ny ivon-toerana”, hoy ny tale mpanatanteraka ny IKM, Kanto Rabenatoandro.
Fanamby ho an’ny IKM ny fampivelarana ny kolontsaina Malagasy. “Rehefa omena sehatra ny kolontsaina, afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra ny firenena”, hoy i Kanto Rabenatoandro. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy manome lanja ny maha izy azy ara-kolontsaina ny Malagasy.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *