Tahaka ny isan- taona, andiany farany ao anatin’ny taona iray lalovany hanatanterahan’ny Madavision ny hetsika Grande braderie de Madagascar no natokana ho an’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Ny 18 hatramin’ny 22 desambra no hisian’io hetsika io etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan- tena Mahamasina. Trano eva maro no handray anjara, izay ahitàna ireo kojakoja maro samihafa ahafahana miatrika ny fety. Raha fehezina dia hanampy betsaka amin’ny fiantsenan’ny fianakaviana isanisany ity hetsika grande braderie de Madagascar andiany farany amin’ity taona ity.
Mipetraka hatrany ny fihenam- bidy 15% , izay nahazoana fanamarihana fa nanome fihenam- bidy mihoatra lavitra noho io napetraky ny mpikarakara io ny ankamaroan’ireo mpandray anjara farany teo. Hiavaka kosa ny fanentanana amin’ity satria hisy ny fampisehoana iarahana amin’ny DJ Gouty sy ny THT, ny toerana natokana hilalaovan’ny ankizy, ny fifaninanana samihafa azon’ny rehetra andraisana anjara, ary fampisehoana karazan- dihy malaza ho an’ny tanora.


