Sport

Champions leagues Eoropa : Tsy tafa i Manchester United


 

Tonotsa ny Talata lasa teo ny dingan’ny fifanintsanana farany eo amin’ny iadiana ny ho tompondakan’ny Eoropa amin’ny klioba tompondaka na ny Champions leagues. Saika efa nahazo ny tapakila avokoa mantsy ireo ekipa matanjka sy goavana tahaka ny ekipan’ny Real madrid , PSG ,ary ny manchester City. Kanefa tsy maintsy nanatontosa ny lalao farany hanatsarana ny isa fotsiny sisa.

Tsy tafita ny Manchester

Anisan’ny ekipa tsy nampoizina ny ekipan’ny Manchester United izay tsy tafita ho any amin’ny dingan’ny amphavalon-dalana rehefa resin’ny Wolfsbourg  3 noho ny 2 nandritra ny lalao farany. Voatery nivarina any amin’ny ligy Eropa izany ity ekipa anisan’ny manam-bola ity vokatr’izany faharesena izany. Anisan’ny tranga tsy nampoizina ihany koa ny nahavitan’ny Real Madrid nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra teo amin’ny baolina tafiditra satria nanamontsana ny ekipan’ny Malmo FC tamin’ny isa mavesatra 8 noho ny 0 izy ireo. Mbola tamin’ny isa 2 noho ny 0 ihany koa no nandavoan’ny PSG ny ekipan’ny Sakthar Donetsk.

Raha ny fandaharam-potoana amin’ny antsapaka amin’ny lalao  amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana dia hotanterahina any Zurich amin’ny 14 desambra ho avy izao.

 

Ireto avy ireo ekipa tafita isam-bondrona

 

Vondrona A : Real Madrid / PSG

Vondrona B: Wolfsbourg / PSV Eindhoven

Vondrona C : Atletico Madrid / Benfica Lisbonne

Vondrona D : Manchester City / Juventus Turin

Ireo ekipa hanao ny Ligy Eropa :

Sakthar Donetsk / Manchester United / Galatasaray / FC Seville

 

José R

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *