Socio-eco

Tsy fanjarian-tsakafo: Ny tantsaha no tena iharany


Voatery varotana ny ampaham-bokatra mba hahazoana vola hividianana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mbola ambony dia ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara kanefa 80 % ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Famokarana tantanam-pianakaviana ny foto-piveloman’ireto tantsaha ireto. Mifanaraka amin’ny tany amboleny, ny fitaovana sy ny teknika ampiasain’izy ireo ny vokatra azo. Araka ny fanazavan’ny mpahaivoly, Onja herilanto Razanakoto fa tsy ampy ny karazam-bokatra vokarin’ny tantsaha. Noho izany, tsy mirindra ny sakafo ho an’izy ireo satria izay vokatrin’ny taniny eo ihany no hohaniny. Tsy maintsy mivarotra indray raha toa ka te hividy sakafo hafa. Ireo tantsaha mpampkatra no tena iharann’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Raha ny hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famokarana tantanam-pianakaviana no tokony hampiana voalohany. Rehafa ampy tohana ara-pitaovana, ara-teknika izy ireo ary ampitomboana ny velaran-tany ambolen’izy ireo, afaka mamboly karazana vokatra isan-karazany ireo tantsaha. Mitombo avy eo ny vokatra ka manana ambim-bava atao sakafo no afaka mivarotra ihany koa izy ireo. Fepetra raisina mifanindran-dalana amin’izay kosa anefa ny fitadiavana lalam-barotra hamarotana ny vokatra.

Lynda A.


One comment on “Tsy fanjarian-tsakafo: Ny tantsaha no tena iharany

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *