Niampy indray ny vehivavy milaza ny ho filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena amin’ity taona ity. Mahatsapa ny filoha nasionalin’ny « Parti Liberal Démocrate » (PLD), Sarah Rabeharisoa fa mila fanovà na ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Nanambara ny firotsahany hifaninana ho eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izy omaly 07 Aogositra 2018 tetsy Antanimena. Tokony filoha efa niomana sy niofana ara-politika no filoham-pirenena fa tsy kisendrasendra toy ny efa nisy hatrizay. « Mahafeno ny fepetra takina amin’izany aho satria efa niomana ny hitondra ny firenena Malagasy amin’ny vinam-piaraha-monina mifanan-drify amin’ny filan’ny vahoaka », hoy izy.
Tsy maintsy oà ana izao fomba fitondrana tsy ahitana fahombiazana izao mba ho any amin’ny fandrosoana ho an’ny Malagasy maro an’isa. Andraikitry ny filoham-pirenena ny miaro sy mitsinjo ny vahoaka. Tsy misy anefa izany fitsinjovana ny vahoaka izany ary tsy voavaly ny hetahetam-bahoaka maro an’isa miandrandra fahandriam-pahalemana sy fahamarinana mba ahafahany mamokatra am-pitoniana. Eo amin’ny lafiny olan’ny toe-karena kosa, ilaina ny fampiroborobaona ny fandraharana eo amin’ireo mpandraharaha madinika sy salatsalany mitondra tetikasa sy fahaiza-mamorina.
Nirina R.