Socio-eco

PAM: Mpianatra 200.000 no hisitraka ny fanampiana avy amin’i Russie


Sakafo isan’andro. Tontosa ny 09 oktobra 2020 tetsy amin’ny masoivohon’i Russie eto Madagasikara ny fanolorana ireo fanampiana avy amin’ny firenena rosianina. Milanja 502 taonina  ny fitambaran’ny fanomezana, izay ahitana voamaina milanja 385 taonina sy menaka 120 taonina. Mitentina iray tapitrisa dolara kosa ny tetibidin’izy rehetra. Entina hanatevenana ireo sakafo ho ampiasaina mandritra ny fandaharan’asa  momba ny sakafo any an-tsekoly izay sahanin’ny PAM (Programme Alimentaire Mondial) eto Madagasikara izy ity. Mpianatra 200.000 voasoratra anarana amin’ireo sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) any faritra Atsimo no hisitraka izany ho an’ny taom-pianarana 2020- 2021.

PAM 1Anisany fototra iray mampazoto ny mpianatra handeha an-tsekoly ny fanomezana azy ireo sakafo any am-pianarana (cantine scolaire). Fiarahamiasa miaraka amin’ny governemanta Malagasy ary tanterahana miaraka amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny fandaharan’asa  momba ny sakafo any an-tsekoly. Ankehitriny dia efa tafapetraka any amin’ireo EPP miisa 800 manerana ny distrika 11 ao anatin’ny faritra Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana izany izany. Hanome sakafo mafana sy manankarena otrikaina ary voalanjalanja mandritra ny fiatrehan’ireo mpianatra ny fampianarana noho izany ny fisian’ity fandaharan’asa ity. “Amin’ny alalan’ireto fanomezana ho an’ny fandaharan’asa  momba ny sakafo any an-tsekoly ireto dia manohana ny fanabeazana, ny fahasalamana sy ny sakafo, ny sosialy, fa indrindra ny toekarena eto Madagasikara i Russie. Ny fanomezana sakafo ho an’ny mpianatra dia fampiasam-bola ho an’ny firenena manerana an’izao tontolo izao”, hoy ny Talen’ny PAM eto Madagasikara, Moumini Ouedraogo.

Nirina R.


One comment on “PAM: Mpianatra 200.000 no hisitraka ny fanampiana avy amin’i Russie

  1. Pingback: PAM: Mpianatra 200.000 no hisitraka ny fanampiana avy amin’i Russie - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *