Socio-eco

MPIASAN’NY FANANANTANY: Miaro ny rambony tsy ho tapaka


Samy nanao fanambarana ny mpiasan’ny fananantany, ny « syndicats des contrôleurs des domaines » sy ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines » etsy ankilany ary ny sendikan’ny « Ingénieur des services topographiques » sy ny « inspecteurs des domaines » etsy andaniny, omaly 2 aprily 2019.

Tapitra ny 72 ora nomen’ny « syndicats des contrôleurs des domaines » sy ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines » saingy tsy mbola nivoaka ny fonja ireo tomponandraikitry ny fananantany voarihorihy tamin’ny resaka kolikoly momba ny villa Elisabeth. « Tsy nahitam-bokany ny fihaonana natao tamin’ny solontenan’ny minisitra mpiahy ny fananantany taminay mpikambana », hoy ny filohan’ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines », Iarivonijaona Rapariherinambinina nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly 2 aprily 2019. Manoloana izany dia mbola mitaky ny hamoahana hatrany ny namany izy ireo ka mandra-piavin’izany dia tsy nandray baiko izy ireo nanomboka omaly. Hitokona tsy hiasa izany ireto mpiasa ireto.

Ary ny hafa ahoana ?

Ankoatra izany dia nanome 72 ora ny fitondram-panjakana ihany koa ny sendikan’ny « Ingénieur des services topographiques » sy ny inspecteurs des domaines eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany manerana an’i Madagasikara tamin’io andro io mba hamotsorana ireo mpiara-miasa amin’izy ireo. « Amin’ny maha mpiasam-panjakana voafehin’ny lalànan’ny asa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eto sampandraharahan’ny fananantany dia manana adidy hanatanteraka baiko avy amin’ny lehibeny izy ireo ary ny tsy fanatanterahana an’izany dia midika ho « insubordination » ka mahavoasazy ». Nilaza ihany koa izy ireo fa baiko tamin’ny mpitondra nifanesy teo aloha no notanterahin’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo voatazona am-ponja vonjimaika kanefa dia tsy nisy voarohirohy na nanaovana fanadihadiana akory fa ireo mpanatanteraka no naiditra am-ponja. Ny taratasy rehetra hanaovana ny famindrana (mutation) dia miankina amin’ireo tompon-tany ary maro ireo sampandraharaha hafa mikirakira ny antontan-taratasy toy ny kaominina, ny « notaire » sy ireo didim-pitsarana isan-karazany, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’izy ireo, Rakotoson Mirija. Noho ireo voalaza rehetra ireo dia « mitaky amin’ny fitsarana izahay mba hanadihady araka ny fahamarinana tsy misy fitanilàna, ao anatin’ny fanajana ny lalàna ka hanome fahafahana vonjimaika ireo namanay alohan’ny fitsarana azy ireo ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *