Socio-eco

MADA VISION: Ho fanarenana ny toekarena ny « Foire économique-commerciale des 23 régions »


Mampisokatra lalam-barotra. Ho mariky ny fifanomezan-tanana amin’ny fanarenana ny toe-karena sy fanampiana mpandraharaha, ny orinasa hiarina indray taorian’ny valanaretina Covid-19 dia mikaraka hetsika ara-toekarena sy ara-barotra manerana faritra 23 ny Mada Vision. Ny 28, 29, 30 ary 31 oktobra 2021 manerana ny faritra 23 no hanatanterahina izany. Misokatra ho an’ireo mpandraharaha amin’ny sehatr’asa rehetra, orinasa madinika, salantsalany, vaventy, mpanao asa tanana, tantsaha ny « Foire économique-commerciale des 23 régions ». Afaka mandray anjara amin’ny faritra hafa ireo mpandraharaha maniry ny hanokatra lalam-barotra na hampahafantatra ny vokatra na mitady fiarahamiasa any amin’ny faritra. « Ny tanjona tiana ho tratrarina dia hanampiana ireo mpandraharaha manerana ny faritra 23 ahita lalam-barotra, hifandray ara-barotra, hifanome  vaovao momba ny tolotra sy tinady ilain’ny faritra 23”, hoy Ramanantsoa Harilala.

Trano heva 300 no hiranty ho an’ny faritra Analamanga ary tsy ho latsa-danja amin’izay ny any amin’ny faritra. Filazam-baovao mampahafantatra ny mombamomba ny orinasa na ny mpandraharaha 3000 no aparitaka manerana faritra mandritra io fotoana io. “Ho hita manerana  ny faritra 23 ihany koa ny vaovao rehetra momba ny fitondram-panjakana satria tsy afa-misaraka amin’ny sehatra tsy miankina ny raharaham-panjakana. Ho hita ao ny vaovao momba fiadidian’ny repoblika, ny governemanta, ny fifandraisana ara-diplomatika sy mpiara-miombon’antoka satria ireny ny koa dia misy tosika tsy afa-misaraka amin’ny toekarena”. Nilaza Ramanantsoa Harilala fa hampiroboroboana ny tsena anatiny ihany koa ity hetsika ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *