politique

Kandida Serge Jovial Imbeh : 80 % ny vinam-piarahamonina efa vita fifanarahana


Miandry ny fahalaniany ho filohampirenena Malagasy sisa ny kandida natolotry ny antoko politika AFIMA na Antoky ny fivoaran’ny Malagasy. Mpahay toe-karena ary efa filoha lefitry ny banky Amerikanina i Serge Jovial Imbeh. Tao anatin’ny 10 taona no nanomanany ny vinam-piarahamonina entiny hampandrosoana an’i Madagasikara. Vola mitentina 50 miliara dolara no ilaina hanatanterahana izany vina izany. « Ny 80 % ny vinam-piarahamonina entiko dia efa vita fifanarahana narahina fifanaovan-tsonia », hoy i Serge Jovial Imbeh nandritra ny fampahafantarana ny maha kandida azy amin’ny fifidianana filohampirenena, tamin’ny 18 aogositra 2018 teny amin’ny CCI Ivato. Manohana ity kandida teraka tamin’ny volana septambra 1978 ity ny antoko Marina.

Vina

« Vahoaka ihany, vahoaka hatrany » ny foto-kevitra ijoroan’ny ny antoko AFIMA. Raha lany filohampirenena i Serge Jovial Imbeh dia lalana mirefy 2833 kilometatra hamboarina ao anatin’ny dimy taona izay hitondrany. Vola mitentina 35 miliara dolara ny vola ho ampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana ary efa nahita fiarahamiasa ny tenany amin’ny fanatontosana izany. Trano fonenana 60.000 ihany koa hohamboarina ho an’ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izany, ho foana hatreo ny fitohanana lavareny ho an’ireo tanan-dehibe manerana an’i Madagasikara. Lamasinina mandeha amin’ny herinaratra (tramway) hapetraka manerana ny tanan-dehibe. Fanamby apetraky ny antoko AFIMA ihany koa fa ao anatin’iray taona monja dia hidina 60 % ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara. Manana paik’ady mahomby hanafoanana ny tsy fandriampahalemana ihany koa ny antoko. Tsy adino ireo zanaka Malagasy fa hahazo vatsim-pianarana ireo ankizy mianatra any amin’ny EPP, CEG, lisea ary tsy maintsy mianatra ny ankizy latsaky ny 14 taona. Hanova ny lalampanorenana i Serge Jovial raha voafidy ho filohampirenena. Hitovy ny fampandrosoana ny faritra 22. Nambarany fa hahaleo tena ara-bola, ara-pitantanana ny faritra tsirairay. Noho izany, hanatrika ny filankevitry ny ministra ireo lehiben’ny faritra satria izy ireo no mahalala ny tetibola hampandrosoana ny faritra.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *