Socio-eco

KANDIDA PAUL RABARY: Hanatanteraka ny nofinofin’ny tsirairay


Namory ireo tanora vonona hiara-hiasa aminy ny kandida Paul Rabary omaly 12 septambra 2018, teny amin’ny Dome Rta Ankorondrano. Nambarany nandritra ny famelabelaran-kevitra narahina adi- hevitra natao tamin’io fotoana io fa hanatanteraka ny nofinofin’ny tsirairay ny fanjakana rehefa lany filohampirenena izy. Hanohana an’ireo Malagasy indrindra ny tanora manana tetikasa ny fanjakana. Hohatsangana ny rafitra hiandraikitra izany. Noresahin’ny kandida laharana faha-8 fa ho famahana ny olan’ny tsy fananan’asa dia hampidirina ao anatin’ny lisitra avokoa ny anaran’ireo tanora tsy mbola miasa miaraka amin’ny mombamomba azy. Tsy ireo manana diplaoma ihany no atao anaty lisitra fa ireo tanora tsy nandia fianarana fa manana fahaiza-manao ihany koa. Amin’izay fotoana izay, ho mora ho an’ny orinasa ny mitady mpiasa satria mijery ao anatin’ny antontan-kevitra (base de données) fotsiny izy.
Ao anatin’ny vinam-piarahamonin’ny kandida Paul Rabary ihany koa ny famadihana ny raharaham-panjakana ho nomerika. Ho fisorohana ny fivezivezena, ny filaharam-be izay mitarika ny olona hanao kolikoly dia amin’ny alalan’ny informatika avokoa no hikirakirana ny raharaham-panjakana sy ny hikarakarana ny taratasim-panjakana toy sora-piankohonana, fanamarinam-pahaterahana, fanamarinam-ponenana, kara-panondrom-pirenena…Mba hanatanterahana izany dia ho asiana “borne informatique” ny kaominina 1197 mandrafitra an’i Madagasikara.

Fanovana rafitra

Hanova lalampanorenana ny kandida Paul Rabary rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Laharam-pamehana amin’izany ny faritra mizaka tena mba hitovizan’ny fampandrosoana eo amin’ny faritra 22. Noho izany, ho fidiam-bahoaka ny lehiben’ny faritra. Mifanandrify amin’izay dia hahena ho 15 ny isan’ny ministera ary ho aparitaka isaky ny faritra izy ireo. “Hiandraikitra ny sehatra mampiavaka ny faritra tsirairay toy ny jono, fambolena… ireo ministera. Ankoatra izany, hofanina mifandraika amin’ny harena voanjanahary azo trandrahina ao amin’ny faritra misy azy ny tanora. Hampiseho amin’ny vahoaka fanjakana ho entin’i Paul Rabary fa miafy. Ho foanana ny Antenimierandoholona, hamidy avokoa ny fiara ampiasain’ny mpiasam-panjakana ka ny tetibola sy vola rehetra amin’izany dia hanampiana ny faritra.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *