politique

KANDIDA BEN’NY TANAN’ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Manana kandidàny ny « ambany tanàna »


Afo am-bilany kely no azo ilazana ny zava-nitranga tamin’ny fanaterana antonta-taratasy izay ho ben’ny tanàna teny amin’ny Ovec Nanisana omaly Alakamisy 12 Septambra 2019. Tsy diso anjara amin’izany izay te-ho kandidà ho ben’ny tanàn’Antananarivo Renivohitra. Tsongaina amin’izany ireo te-ho kandidà avy amin’ny TIM sy izay te-ho kandidà avy amin’ny fitondrana, IRD. Tamin’ny fotoana farany avokoa no nanatitra ny antonta-taratasiny. Ankoatra izay, nifanaretsaka, ao ny mimenomenona  ka milaza fa tsy mahay mandamina ny asany ireo ao amin’ny Ovec indrindra amin’ny fomba fandraisana sy fandaminana ireo antonta-taratasy filatsaha-kovidiana.

Hafa ity fifidianana izay ho ben’ny tanàn’Antananarivo renivohitra ity satria manana ny kandidàny ny ambany tanàna. Matetika  dia nataon’ny mpanao politika fitaovana hatrany ny eny ambany tanàna indrindra amin’ny fifidianana. Mahatsapa izany toe-javatra izany i Ralaiarimanana Elias ka nandray andraikitra ka nandrotsaka ny kandidàny teny amin’ny Ovec Nanisana omaly. Kandidà tsy miankina izy. Mpanao asa soa no hafantaran’ny olona eny ambany tanana azy. Mpino ao amin’ny FJKM ihany koa izy. Noho izany manana traikefa izay ilaina satria hain’ny mino ny zavatra rehetra ilaina. « Resy lahatra aho noho ny tsy fandraisana andraikitry ny eny amin’ny ambany tanàna. Voatery noraisina izany amin’ny maha zanakin’ny ambany tanàna ». Tsy maintsy madio ny tanàn’ Antananarivo no lahara-pahamehan’ity te-ho kandidà ity. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy mandroso ny tanàn’Antananarivo raha toa ka lany ho ben’ny tanàna izy. Vonona hifaninana amin’ireo lazaina fa kandidà matanjaka izy. Matoa milatsaka dia manantena fa handresy, hoy izy. Ankoatra izay dia tsy matahotra izay mikasa ny hanao hosoka na hangala-bato izy satria matoky an’Andriamanitra.  « Niteny taminay tamin’ny fibitsihana mangina Andriamanitra fa ho may izay tanan’izay mieritreritra hangala-bato amin’io fifidianana io ary ho jamba ny masony ».

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *