Socio-eco

Hetsika etsy Mahamasina : Hanampy ny mpianatra vao afaka bakalorea


Nanomboka omaly ary hifarana anio 15 Febroary ny hetsika « Salon de l’étudiant » fidirana Febroary 2019 amin’ny fianarana ambaratonga ambony. Natokana ho an’ireo izay tsy mbola tafiditra nianatra ka tsy mbola nahita ivon-toeram-pampianarana ity hetsika karakarain’ny Mada Jeune ity. . Hanampy  ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  amin’ny fisafidianana ny  lalam-piofanana ho rantoviny ny hetsika. Miisa 22 ireo oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana no hanome tolotra sy ny lalam-piofanana ho an’ny mpianatra. Hanome toro-lalana ho an’ireo mpianatra, indrindra fa ireo vao afaka fanadinana bakalorea ireo oniversite tsy miankina  ireo. Ho hita eny ireto oniversite ireto, IEP, ISM, ISMATEC,  GSI, IMT, ATM, ISINFO, IFAGI, IFSM, ISPGI ,ISIME, ISSEG, INFOTOUR,  IMD,  ESCAME,  ESTIIM, MPTC, CNTEMAD, E-MEDIA, ISSEG,  ISPAG, ISPS, LEADER. Marihana fa mpitsidika 3 000 no andrasana mandritra io roa andro io ary tsy misy ny vidim-pidirana.

Nirina R.


One comment on “Hetsika etsy Mahamasina : Hanampy ny mpianatra vao afaka bakalorea

  1. Pingback: Hetsika etsy Mahamasina : Hanampy ny mpianatra vao afaka bakalorea - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *