Socio-eco

FONGOTRA NY LEFAKOZATRA : Manaporofo ny fanjakana


Nahazo fampiofanana  ireo tomponandraikitra mpanara-maso ifotony  ny aretina voatsabo amin’ny alalan’ny vaksiny (SMEV). Nohamafisina ny fahaiza-manao efa hananan’izy ireo. Nandritra ny telo andro, nanofana ireo  tomponandraikitra (point focal)  avy amin’ny distrika manerana an’i Madagasikara  ny fianakaviambe iraisam-pirenena momba ny  fahasalamana (OMS). Nanomboka tamin’ny 07 ary nifarana ny 09 martsa 2018  teny amin’ny Live Hotel Andavamamba ny atrika asa.

Manaporofo

Ao anatin’ny fanomanana ny antontan-taratasy  ahazoana ny taratasy fanamarinana  fa fongotra ny aretina lefakozatra eto Madagasikara izao fampiofanana izao. Ny  vaomieram-paritra misahana  fanamarinana ny famongorana ny lefakozatra eto Afrika (CRCA) no hanome io fanamarinana io amin’ny volana jona ho  avy izao.  Miezaka mafy ny vaomiera nasionaly amin’ny fanaporofoana fa efa fongotra ny lefakozatra eto Madagasikara.  Amin’ny alalan’ny “point focal” no hanamarinana izany.  “Izahay no manaramaso ny fanaovam-baksiny sy ny fisian’ny trangana  aretina azo tsaboina amin’ny alalan’ny vaksiny  toy ny lefakozatra, kitrotro, tetanosy… eny amin’ireo toeram-pitsaboana iombonana”, hoy ny dokotera mpanara-maso  ifotony ny aretina voatsabo amin’ny alalan’ny vaksiny  ao  amin’ny distrika Marovay, Leka Stil. Raha sendra misy  trangana aretina ahiahiana toy ny fahalemen’ny zaza tampoka, alefa any amin’ny “Institut Pasteur”  ny  dikin’ilay zaza  hohamarinina na voan’ny lefakozatra izy na tsia.  Nambaran’ny dokotera Leka  fa nisy tranga roa noahiahiana ho lefakozatra tamin’ny taona 2017. Rehefa natao anefa ny fitiliana dia tsy izy izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *