politique

FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM


« Tsy nanaja ary tsy nitandro tahaka ny hanaka andriamaso ny lalam-panorenana ny prezidàn’ny repoblika raha namoaka iny fanapahan-kevitra ho fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fitsapa-kevi-bahoaka hampiarahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 Mai 2019 ho avy izao », hoy ny filohan’ny antoko TIM, Ravalomanana Marc. Tsy azo ekena ny fandikana ny lalam-panorenana, hoy izy. Raha ny voalazan’ny lalam-panorenana dia 90 andro mialoha ny fifidianana izay atao no tsy maintsy hiantsoana ny mpifidy an-datsa-bato. Ny zoma 19 Aprily 2019 anefa vao niantso ny mpifidy hanao izany fitsapan-kevi-bahoaka izany ny filan-kevitry ny ministra natao tamin’io andro io sady ho am-piarahana amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Misy karazany rehefa hikitika io lalam-panorenana io ka mifanaraka amin’izay ny fanapahan-kevitra tokony ho raisina, toy ny fanampiana, fanamboarana ary ny fanovana vaovao mihitsy. Fanontaniana napetraky ny filohan’ny antoko ny hoe : mikatso ve ny raharaham-pirenena no hisy fanovana ny lalam-panorenana ? raha izay no misy dia tokony ho lazaina ny antony izany. Tokony ao aorian’ny fifidianana solombavambahoaka no atao izany fitsapan-kevi-bahoaka izany raha ilaina tokoa fa tsy atao maimaika fotsiny. Raha toa ka tena hisy tokoa ny fikitihana io lalam-panorenana io dia tokony hifandinihan’ny rehetra ny hanaovana azy, alaina ny hevitry ny tsirairay. Niteny an’io ihany koa ny fiarahamonim-pirenena KMF/KNOE. Gaga ihany koa ny vondrona iraisam-pirenena raha niresaka tamin’ny filoha Ravalomanana momba io fitsapan-kevi-bahoaka io.

Nivory maika ireo birao politika sy ireo kandidà solombavambahoaka ao amin’ny antoko nandinika ity fanapahan-kevitra tampoky ny fitondrana ity androany 22 Aprily 2019 teny Faravohitra.

Nirina R.


One comment on “FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM

  1. Pingback: FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA: Manitsaka ny lalam-panorenana ny mpitondra hoy ny TIM - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *