Socio-eco

FITSABOANA AN’I ERIC FOU HEHY: Miantso ny Prezidàn’ny repoblika


Mbola mila vola 74 875 Euros ny fitsaboana an’i Eric Fou Hehy any Inde amin’izao fotoana izao. Manao antso avo amin’ny Prezidan’ny repoblika Andry Rajoelina izy mba hanampy azy. Eo ihany koa ireo izay rehetra afaka hanampy azy amin’izany ary hisaorany mialoha izany. Nanatanteraka tatitra amin’ny fizotran’ny fitsaboana sy ny vola lany nandritra izay volana maromaro nahatongavany tany Inde ireo mpiara-miasa aminy akaiky tetsy amin’ny efitrano Gisèle Rabesahala, tranom-bokim-pirenena Ampefiloha omaly 18 Febroary 2019. Niditra mivantana raha teo i Eric nampahafantatra ny zavatra natao ka tonga amin’ny fotoana tsy maintsy anaovana ny fandidina azy. Nisaotra ireo izay nanampy azy hatrizay izy sy ireto mpiara-miasa azy akaiky ireto toy ny fitondram-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ireo olon-tsotra…

Efa tamin’ny volana Jolay 2018 izy no niainga teto Madagasikara nakany Inde hitsabo tena. Aretin’ny voa no mahazo azy ka ho soloina any an-toerana. Nandalo dingana maro anefa izy rehefa tonga tany na dia efa tomombana avokoa ny zavatra rehetra taty Madagasikara toy ny vola, ny olona hanome ny voa izay omena azy. Tsy maintsy niatrika fitsarana in-telo anefa izy noho ny fisian’ny lalàna vaovao any Inde izay milaza fa tsy azo atao intsony ny manolo ny taova. Nirongatra ny fakana taova an-tsokosoko tany an-toerana no antony izany. Tao anatin’izay enim-bolana nahatongavany tany an-toerana izay indray anefa dia potika ny atiny izay 20% monja sisa no miasa ka ilaina soloina miaraka amin’io voa io. Raha ny tenin’i Eric dia mifampiankina ny voa sy ny aty ka tsy maintsy atao miaraka ny fandidiana. Tafiditra amin’io vola ilaina io avokoa ny fandidiana sy fanovana ireo  taova roa ireo, ny fitsaboana sy ny hofan’ny hopitaly hijanonana any mandritra ny telo volana ary ny vidin’ny fanafody ao anatin’ny enim-bolana aorian’ny telo volana ialana ao amin’ny toeram-pitsaboana any Inde.

Vonona tanteraka i Eric hiatrika ny fandidina azy maika rehefa voaangona io vola 74 875 Euros io. Azo  ny olona atao ny miantso azy mivantana any Inde amin’ny laharan-tariby +91 70 39 33 76 41. Eo ihany koa ny laharana azo hifaneraserana amin’ny eto an-toerana, 032 62 859 25 sy 034 82 318 15. Nomarihan’i Eric fa tsy tapaka ny fanaovana ny fanoloana ny rà (dialyse) nandritra io fotoana lava nahatongavany tany Inde io. Nanatrika izao fanaovana tatitra momban’ny tsy fahasalamana azy izao ireo zanany telo sy ny fianakaviana akaiky azy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *