Tapaka tamin’ny fivorian’ny fikambanan’ny ben’ny tanà na, faritra Analamanga fa raha te haneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny ben’ny tanà na dia tokony amin’ny anarany manokana na ny kaominina tantanany fa tsy amin’ny alalan’ny fikambanana. Ny zoma 27 aprily 2018, teny Andoharanofotsy no nanatanterahin’izy ireo ny fivoriana. 52 ireo ben’ny tanà na tonga nanatrika izany. Ankoatra izany, niresaka momba ny tombontsoany ihany koa ny ben’ny tanà na. Mangataka ny hamoahana didy manafoana tanteraka ny didy 2018-162 ny fikambanan’ny ben’ny Tanana, faritra Analamanga. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana, Rigobert Rakotoarisoa fa nampihena ny tombontsoa toy ny karama sy ny maro hafa tokony ho an’ny ben’ny tanà na io didy io. Nahato izany saingy mbola tsy nisy didy nivoaka manafoana azy.
Zo fototra
Efa samy nahazo ny tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana ifotony (FDL) avy ny kaominina. Na dia eo aza izany, mbola mangataka ny zo fototra ho an’ny kaominina ny ben’ny tanà na. « Sahirana ireo kaominina ambanivohitra amin’ny fampandehanana ny kaominina. Mangataka ireo ben’ny tanà na ny hanomezana azy ireo ny fanampian’ny fanjakana ho an’ny fampandehanan-draharaha ».
Lynda A.