Socio-eco

FIKAMBANANA « DESTINY »: Niavaka ny fankalazana ny 8 martsa


Nisantatra voalohany ny tranom-pokonolona Ankadindravola, kaominina Ivato ny fikambanana “Destiny”. Tao amin’io toerana io no nankalaza ny andro ho an’ny vehivavy ny fikambanana. Niavaka ny fankalazana ny 8 martsa nataon’ny fikambanana Destiny tamin’ity taona 2019 ity satria niova tsy toy ny mahazatra ny fanomezana natolotra ireo vehivavy sahirana ao amin’ny kaominina. “Kojakoja ilaina ao an-tokantrano isan’andro no nozarainay tamin’ity toy ny vary, spaghetti, menaka, savony. Nampiavaka ny 8 martsa tamin’ity ihany koa dia nanasa mpahay lalàna izahay, nitondra famelabaleran-kevitra momba ny zon’ny vehivavy”, hoy ny filohan’ny fikambanana Destiny no vadin’ny ben’ny tanàna an’ny kaominina Ivato, Hoby Randrianarisoa. Raha ny tarehimarika nomeny dia vehivavy sy beantitra 400 isa no notolorana fanomezana.

Mifantoka amin’ny fanampiana ny vehivavy sahirana sy ny zanany ao amin’ny kaominina Ivato ny fikambanana Destiny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana hatrany. Nambarany fa rehefa tonga ny vanim-potoana fanadinana ara-panjakana dia manolotra fitaovam-pianarana ho entin’ireo ankizy hiatrika fanadinana toy ny CEPE ny fikambanana. “Mizara fitaovam-pianarana ihany koa izahay rehefa fidiran’ny mpianatra”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *