Socio-eco

EFOI MADAGASIKARA: Manohana ny tanora hahatratra ny tanjony


Tanora lahy sy vavy 53 nahazo fiofanana nandritra ny iray volana. Fiofanana momba ny fahaiza-mitarika, ny fampandrosoana ny maha olona, teny anglisy fototra ary informatika no nataon’izy ireo. Ao anatin’ny drafitr’asan’ny EFOI eo anivon’ny faritra, ity fampiofanana ELIT andiany faharoa ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny EFOI eto Madagasikara, Rakotondrainivonona Emilie. Tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa teo amin’ny EFOI Maorisy sy ny famatsiam-bola avy amin’ny Accenture atsy Maorisy no nahafahana nanatantareka izany. Vehivavy mpandraharaha  telo avy amin’ny ranomasimbe Indiana miisa telo no nampiofana ireto tanora malagasy ireto. Ny roa avy amin’ny EFOI Maorisy ka ny iray ary ny iray avy amin’ny EFOI eto Madagasikara.

 “Amin’ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny faritra ranomasimbe indiana ny EFOI dia renim-pianakaviana aloha ireo vehivavy mpikambana izay vao mpandraharaha ka manana andraikitra hanampy ireo tanora mba hatratra ny tanjony”, hoy ramatoa Rakotondrainivonona Emilie. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpiofana nandritra ny fizarana ny mari-pahaizana taorian’ny famaranana fiofanana fa nitera-bokatsoa ho azy ireo ity tetikasa ity satria tao no mbola tsy nikitika solosaina izany teo amin’ny androm-piainany kanefa ankehitriny mahay mikirakira izany. Tao ihany koa no nihatsara ny fahaizana miteny anglisy ary ny tena zava-dehibe dia nahazo fahalalana hampitomboana ny fahatokisan-tena izy ireo.

Lynda A.


One comment on “EFOI MADAGASIKARA: Manohana ny tanora hahatratra ny tanjony

  1. Pingback: EFOI MADAGASIKARA: Manohana ny tanora hahatratra ny tanjony - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *