Socio-eco

ASIEF: Efa mandeha ny fifaninanana isam-paritra ho an’ny taranja iombonana


Mazoto manao fanatanjahantena ny mpiasam-panjakana. Tsy maintsy mandalo fifaninanana isam-paritra ny mpiasam-panajakana te handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly karakarain’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Ho an’ny faritra Analamanga dia efa mandeha ny fifanitsanana ho an’ny taranja iombonana toy ny basketball, volleyball, football. Nisy ohatra ny fifaninanana ho an’ny taranja basketball ny 09 aprily 2022 teny Mahamasina sy Ampefiloha. Nambaran’ny Filohan’ny ASIEF, Andrianarison John na i John Love fa nitombo ny ekipa mandray anjara ho an’ny taranja basketball. Raha 50 izany tamin’ny fifaninanana teo aloha dia lasa 100. “Porofo izany fa mazoto manao fanatanjahantena ny mpiasam-panjakana. Fanafody tsy vidiam-bola ny fanaovana fanatanjahantena. Ny tanjona dia mba ho salama ny mpiasam-panjakana ahafahany manatanteraka ny adidy sy ny andraikitra”, hoy i John Love.

Taranja vaovao

Ny 20 aogositra 2022 ka hatramin’ny 04 septambra 2022 any Morondava no hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly amin’ity taona ity. Nitombo ny taranja vaovao toy ny fanorona, judo, baolina kitra ho an’ny vehivavy, Kung-Fu. Lasa 21 izany ny taranja hifaninanana amin’ity lalao ara-panatanjahantena hifanaovan’ny samy mpiasam-panjakana ity. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny ASIEF hatrany fa hentitra ny fanarahamaso ho an’ireo mpandray anjara mpikarama an’ady. Efa misy ny ratsa-mangaika mpanaramaso izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *