Socio-eco

TANY MISORATRA AMIN’NY MPANJANATANY: Voatery miala amin’ny tany namboleny ireo fokonolona ary alain’ireo milaza ho tompony an-keriny ny voly nambolen’izy ireo


Enim-bolana izay no nahavitan’ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany. Nanantena vahaolana tamin’izany ireo tantsaha sy fokonolona nanajary ireo tany mbola misoratra amin’ny mpanjanatany taloha (colon). Tsy mbola nisy anefa izany hatramin’izao.

Razanaka Clément - Solotenan’ny mponina ao Mampikony

Razanaka Clément – Solotenan’ny mponina ao Mampikony

Noterena niala tamin’ny tany nambolen’izy ireo mihitsy ireo tantsaha ary alain’ireo olona milaza ho tompon’ny tany ny voly nambolen’izy ireo. Tahaka ny tranga ao Mampikony dia vary milanja 5000 taonina no efa nalain’ireo milaza fa tompon’ny tany izay nisoratra tamin’ny “colon” na “voanjo” taloha, nitondra ny titra “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”, araka ny fanazavan’i Razanaka Clément, solontenan’ny ireo mponina nanajary ny tany.  Efa nifindra tamin’ny orinasa antsoina “COTONA Real Estate” ao amin’ny Vondrona SOCOTA izany ankehitriny. Mirefy 2772 hektara io tany io ary fokontany 10 ao amin’ny disitrika no voakasik’izany.  Anarivony ireo fokonolona nanajary ny tany am-polon-taonany maro taorian’ny nialan’ny “colon” ary namboly teo. Efa nandalo tany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany  Mampikony  ny raharaha. Namoaka didy sava-ravina ny fitsarana ny 22 Mey 2018 ka nangataka tamin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy nandidy azy hanome ny antontan-taratasy milaza ny fomba namindrana ny tany. “Efa taona 2022 isika  izao, tsy mbola nanome izany ry zareo. Efa ho roa volana izay tsy nisy Chef de service ao amin’ny domaine Mampikony”, hoy i Razanaka Clément. Araka ny fanazavan’i Raparison Eric, mpandrindra nasionalin’ny SIF fa  rehefa natao ny fanadihadiana dia “ao amin’ny  vondrona Filatex ny COTONA Real Estate”.

Nidoboka am-ponja

Ramilijaona Pierre Marcel, solontenan’ny mponina ao Soavinandriana 2

Ramilijaona Pierre Marcel, solontenan’ny mponina ao Soavinandriana

Anisany  niakatra teto Antananarivo ihany koa i Ramilijaona Pierre Marcel ny 09 desambra 2022.  Nitondra ny fitarainan’ireo mponina ao Soavinandriana. Mponina ao amin’ny fokontany miisa 7 no voatery niala tamin’ny tany nambolen’izy ireo satria misy olona milaza fa tompon’ny tany ary manana titra amin’izany. Nisoratra tamin’ny voanjo ary mirefy 569 hektara io tany mampifanolana ny  fokonolona sy olon-tokana milaza fa tompon-tany io. Ny taona 1970 ny fokonolona no efa nanomboka nanajary ny tany ary katsaka no nambolen’izy ireo teo. “Olona tao amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny repoblika faharoa no niilaza fa nividy ny tany  ny taona 1990”, hoy i Pierre Marcel. Nisy ny fitoriana nataon’ny mponina nanajary ny 2016. Niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny samy mponina ny raharaha satria nisy niandany tamin’ilay olona milaza fa tompon-tany ny “Efa in-24 aho no natao famotorana ary ny volana desambra 2019, natao sarika am-pandriana aho  ary nidoboka am-ponja”, hoy i Pierre Marcel. Nambarany  fa niala tanteraka teo amin’ny tany namboleny ireo fokonolona ary miaina ao anaty fahasahiranana, tsy manan-kohanina,  nijanona tamin’ny fianarany ny zanak’izy ireo satria very asa fivelomanana.

Mila vahaolana maika

Randriarijaona Dieu Donné Solotenan’ny mponina Tsiazopody Moramanga

Randriarijaona Dieu Donné Solotenan’ny mponina Tsiazopody Moramanga

Hatrany Moramanga ihany koa dia ahitana  ady tany amin’ny resaka tany misoratra amin’ny mpanjanantany. Mitaraina ireo mponina nanajary ny tany ao Marovitsika fa misy olona milaza ho mpandova an’ireo vazaha. Mangataka hofan-tany amin’ireo mponina ireto mpitantana vaovao ireto, araka ny fanazavan’i Andriambola Jean José, solontenan’ny mponina. Nambarany  fa mirefy 4528 hektara io tany io ary taloha  raha namboly teo ny fokonolona dia tsy nisy nanelingelina.  “Vary no nambolen’ny mponina teo . Ankehitriny, mangataka 10.000 Ariay isaky ny vata izy . Tsy nanaiky ny fokonolona dia nitory anay ary niakatra tribonaly ny raharaha. Nolazainy fa nitarika vahoaka hikomy izahay. Nivoaka ny didy ary voasazy efa-bolana an-tranomaizana, anisan’izany ny tenako. Nampiakatra ny raharaha moa izahay […] Efa 4 taona izay no tsy namboly teo intsony izahay. Ny zaza tsy afaka mianatra intsony”, Andriambola Jean José. Nanantena ireo tantsaha ao Marovitsika fa hisy ny vahaolana raha nanatrika ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fananantany, ny volan jona 2022. “Tsy mbola misy anefa izany”, hoy ny solontenan’izy ireo. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny mponina ao Tsiazopody Moramanga fa ny tanimbary izay ambolen’izy ireo dia misy olona milaza fa tompony. Araka ny fitantarany dia nisoratra tamin’ny vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahantany ny tany ampiasain’izy ireo. 162 hektara ny refin’ny  tanety sy tanimbary. Fitrandrahana ala nataon’ireo vazaha tamin’izany. Rehefa lasa ny vazaha dia niezaka namboly ny razambenay. Tsy nisy nanelingelina izahay. Ny taona 2008 anefa nipoitra ilay olona […] zafikelin’ilay mpividy ny tany. Nanao fitoriana ny fokonolona ary resy izahay satria mazava ny taratasiny. Nampiakatra ny raharaha teny amin’ny fitsarana an-tampony izahay ary mbola eny ny raharaha amin’izao fotoana izao. Nahazo fahazoan-dalana hitrandraka ny ala anefa ireo milaza ho tompony nefa ny ady mbola mandeha”, hoy i Randriarijaona Dieu Donné, solontenan’ny mponina ao Tsiazopody. Nilaza ny tenany fa namboly eo amin’ny tanimbary ihany ireo mponina saingy miaina anaty tebiteby satria sao tsy ho azon’izy ireo variny rehefa vokatra. Miantso ny fitondram-panjakana noho izany ireo fokonolona ao Mampikony, Soavinandriana, Moramanga mba hanome vahaolana maika ho azy ireo. Manaitra ny tomponandraikitra mahefa ihany koa ny firaisamonim-pirenena Sehatra Iombonana ho an’ny fananantany (SIF) hanohy ny fifampiresahana natao nandritra ny fikaonandoham-pirenena momba ny fananantany mba hamahana tanteraka ny olan’ny fananantany eto Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *