Socio-eco

GSDM: Nahafa-po ny mpamatsy vola ny tetikasa PAPAM


Voataiza ny tany nefa mitombo ny vokatra. Hifarana amin’ny taona 2022 ny tetikasa PAPAM. Ny Agence Française de Développement (AFD) no namatsy vola ny tetikasa. Mitentina 7 tapitrisa euros ny famatsiambola nomeny. 4 taona no faharetany tany am-boalohany fa niitatra ho 5 taona izany. Ny taona 2016 no nanomboka ity tetikasa mifototra amin’ny fanatsarana ny  tontolon’ny fambolena ho fampitomboana ny vokatra amin’ny alalan’ny fampiasana ny “agroécologie” ity. Faritra efatra no niasany: Vakinankaratra, Atsimo Atsinanana, Vatovavy Fitovinany, Alaotra Mangoro. Eo ambany fitantanan’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ny PAPAM. Nisahana ny fanantaterahana ireo rantsana telo mandrafitra ny tetikasa kosa ny GSDM, Agrisud International, WHH ary ny SDMAD. Niandraikitra ny rantsana faharoa: ny fanapariahana ny “agroécologie” ny GSDM. Nikarakara “atelier de capitalisation de l’agroécolgie” ity fikambanana matihanina amin’ny sehatry ny “agroécologie” ity ny 2 sy ny 3 desambra 2021 tao an-tampon-tananan’Antsirabe, faritra Vakinankaratra. Ho fizarana ireo traikefa azo momba ny fampiharana ny agroécologie nandritra ny tetikasa PAPAM no tanjon’ny atrikasa. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra tamin’ny tetikasa, ny ministera voakasiky ny tetikasa toy ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana, ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, ny solotenan’ny governora amin’ireo faritra niasana, ny avy ao amin’ny AFD sy ny maro hafa. “Nangonina ireo traikefa rehetra tamin’ireo faritra niasana. Araka tenin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana, ny tale ny AFD teo dia hanomanana ny phase manaraka fa nahafapo ny vokatra tao amin’ny PAPAM. Ny fototra dia manaparitaka ny agroécologie hanohanana ny fambolena indrindra ho an’ny tantsaha madinika”, hoy Rakotondramanana, Tale mpanatanteraky ny GSDM. Nambarany fa betsaka ny zavatra vita, ny fehin-kevitra azo na teo amin’ny tantsaha na tany an-tsekoly. Sekolim-panjakana sy tsy miankina  miisa enina  tao Vakinankaratra nahazo tombontsoa tamin’ny PAPAM. Nomena fiofanana momba teknikam-pambolena maharitra “agroécologie” ny mpampianatra ary nampita izany tany amin’ny mpianatra tao amin’ny kilasy fahaenina sy fahadimy. Nanao fampiharana avy hatrany teny amin’ny saha sekoly ireo ankizy.

Vahaolana amin’ny fitomboan’ny mponina

Santionany amin’ny vokatra azo tsapain-tanana tamin’ny tetikasa PAPAM ny fampiarahana ny karazam-bary, voka-pikarohana nataon’ny fikambanan’ny mpikaroka DPSPAD, tamin’ny teknika agroécologie. “Nahita karazam-bary mety tsara ireo mpikaroka ary nampiarahana tamin’ny “agroécologie” izany. Raha fambolena nentin-paharazana dia 1 taonina na 1 taonina sy sasany isaky ny hektara ny vokatra, amin’izay miha ratsy ny  tany dia mifindra mitady tany vaovao ny tantsaha”, hoy Rakotondramanana. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tantsaha, 4 taonina isaky hektara  ny voka-bary azon’izy ireo tamin’ny fampiharana ny “agroécologie”. Raha ho an’ny Vakinankaratra, 50.000 ha eo ny vary an-tanety. Raha ampitomboana 4 taonina izay dia mahatratra 200.000 taonina ny voka-bary an-tanety. “Efa misy fiantraikany izany na dia hoe hohanin’ny olona ny ampahan’ny betsaka. Misy fiantraikany amin’ny fahampiana ara-tsakafo no voataiza ny tany. Na mitombo aza ny isan’ny olona dia tsy mivezivezy fa afaka miodina io tany io”, hoy ny tale mpanatanteraky ny GSDM. Efa mitombo be ny isan’ny mponina eto afovoan-tany toy i Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony hoy izy ka tsy misy intsony ny tany hifindrana, ny tanimbary efa feno, tsy afaka manitatra. “Hany azo atao? Ny teknika izay maharitra no atao dia ny agroécologie”.

Lynda A.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *