Socio-eco

ADY AMIN’NY FIOVAN’NY TOETRANDRO: Manao fanamby ny Orange fa ho tsy hamoaka etona karbônina intsony amin’ny taona 2040


Iray andro sisa dia higadona ny andro manerantany ho an’ny toetrandro izay hankalazaina ny 8 desambra. Nampahafantatra ny andraikitra raisin’ny orinasa amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro ny Tale Jeneralin’ny Orange, Frédéric Debord, ny 6 desambra 2022. Voalaza tamin’izany fa anisany mandray anjara mavitrika amin’ny fampihenana ny etona mangeja hafanana sy miady amin’ny fiakaran’ny maripana ny Orange. Manana vina ny orinasa fa tsy hamoaka etona karbônina intsony amin’ny taona 2040.  Amin’ny alalan’ny fandaharan’asa maro toy ny “économie circulaire”, ny fampiasana ny angovo azo havaozina ary ny fanentanana eny amin’ny sehatrin’ny fanabeazana momba ny fiovan’ny toetrandro no hampiharany izany. Mitady ny fomba rehetra ahafahana mampiasa ireo fitaovana efa avy nampiasaina ny orinasa satria  rehefa tsy ariana ireo fitaovana dia tsy  misy ny famokarana izany ary  mihena famokarana etona mangeja hafanana. Tao anatin’ny dimy (05) taona ny Orange Madagascar no efa nirona tany amin’ny fampiasana ireo fitaovana hiasana sy fampitana ny tambazotra  avy nampiasaina. Nifanaraka tamin’ny Vondrona Orange mihitsy ny orinasa mba ahafahana mampiasa indray ireo fitaovana (équipement radio) avy amin’ny Orange ao Réunion. Voalaza ao anatin’ny fifanarahana ny fampiasana ny « équipements radio” 3G  sy  4G an’ny Huawei mandritra ny telo  taona. Mitentina 1,3 tapitrisa euros ny fitsitsiana azo avy amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo. Ankoatra ny fampiasana fitaovam-pifandraisan-davitra avy nampiasaina dia mamokatra finday Smartphone efa nampiasaina sy naverina nohatsaraina ihany koa ny Orange eto Madagasikara. Natao ho zakan’ny rehetra ny vidiny mba ahafahan’ny rehefa misitraka ny nomerika.

Angovo azo havaozina sy fanabeazana

Fantatra fa ny 55 % ny angovo ampiasain’ny vondron’orinasa Orange dia angovo azo havoazina. Anisan’izany ny  angovo avy amin’ny masoandro, angovo maitso, ny fampiasana ny teknolojia maitso izany mampihena ny etona karbônina. Efa miroso amin’ny fampiasana izany ny Orange Madagascar. Manana toerana lehibe ahafahana mahazo herinaratra avy amin’ny masoandro ny Orange toy ny any Afrika sy Moyen-Orient. Mamatsy vola amin’ny fisintonana ny etona karbônina  amin’ny alalan’ny tetikasa “puits carbones”ihany koa ny orinasa. Misintona etona karbônina  betsaka ny  honko (mangrove) ary avy amin’izany no nanaovana io tetikasa io. Fanampin’izany dia mipaka any amin’ny sehatrin’ny fanabeazana ihany koa ny asa ataon’ny Orange amin’ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetrandro. Mandritra ny andro manerantany ho an’ny toetrandro dia hanao fanentanana momba ny fiakaran’ny maripana sy atrikasa hiresahana ny andraikitra tokony atao amin’izany ny Orange Madagascar. Hisokatra ho an’ny mpiasan’ny Orange sy  daholobe ity  atrikasa « « Fresque du climat » ity. Ho an’ny zaza 7 taona miakatra indray dia hisy ny atrikasa « Supercodeurs » hianarana ny « codage informatique » sy ny fampifandrasaina izany amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Handalo eny  amin’ny EPP Maibahoaka sy ivon-toerana fandraisana an-tanana vonjimaika  ireo ankizy iharan’ny herisetra eny Isotry  ny TicBus hanaovana ny “supercodeur”.

Ra-Nirina

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *