politique

VOROMAHERY : Vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina


« Mendrika tohizana ny zava-bita ». Miantso ny hirotsahan’i Hery Rajaonarimampianina ho kandida amin’ny fifidianana filohampirenena ny 07 novambra 2018 ny VOROMAHERY mba ahafahana manatratra ny vina Fisandratana 2030. Mampivondrona ireo antoko politika, fikambanana, mpandraharaha, olom-pirenena miray fo amin’ny vinam-piarahamonina Fisandratana 2030 ity vondrona ity. Nivory teny amin’ny Carlton Anosy ny mpikambana ny 10 aogositra 2018. Hita ao anatin’ny vondrona ny antoko politika MAF (Madagasikara Afaka) izay tarihin’i Maître Avoko, ny fikambanana MOVMA (Mihetsika ny Olona manana Vina ho an’i Madagasikara), ny mpandraharaha Virapin Ramamonjisoa, Ntsoa Randriamifidimanana, Andry Raobelina, Gabriel Ratianarivo.

Amin’ny maha vondrona miaro sy manohana an’ny filohampirenena am-perinasa dia resy lahatra ny mpikambana fa mila tohizana ny zava-bitan’i Hery Rajaonarimampianina. Nambaran’i Maître Avoko, fa aleo tohizana ny hita maso. Nanamafy ihany koa i Lanto Rakotomavo, filohan’ny MOVMA fa tsy maintsy arovana ny foto-drafitr’asa efa vita sy an-dalam-pantontosàna. Nilaza ihany koa i Virapin Ramamonjisoa fa ray aman-dreny mitsinjo ny vahoaka Malagasy ny filohampirenena Hery Rajaonarimampianina ka miantso ny rehetra resy lahatra hanatevin-daharana ny VOROMAHERY.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *