politique

VONDRONA FIKAMBANANA MIADY AMIN’NY TSY RARINY: “Tsy mari-pototra ny fitazomana an-dRajaonah Mbola”


Mitohy vakana ny fanambarana momba ny fitazomana ny mpandraharaha Rajaonah Mbola any Tsiafahy. Nanao fanambarana ireo vondron’ny fikambanana manerana an’i Madagasikara ny 10 aogositra 2019 teny Anosy manoloana ny tsy rariny mianjady amin’ity mpandraharaha ity. Nambaran’izy ireo fa tsy mari-pototra ny fitazomana an’azy ary tsy misy porofo. “Misy baiko midina ilay izy, manindry ny tsy hivoahan’io mpandraharaha io. Resaka  politika no manindry io raharaha io”, hoy ny solontenan’ny fikambanana Feon’ny vahoaka, Anjaraniaina Landry.  Mitaky ny hampitsaharana  ny valifaty politika ihany koa ny mpikambana iray ao amin’ny « Jeunes Actifs pour le Développement Durable » na JADD avy any Toliary. “Raha resaka fanararaotana fananana iombonana sy fandikàn-dalàna momba ny ladoany no hitazomana azy dia tsy tokony any Tsiafahy satria fandikàn-dalàna izany fa tsy vono olona”, hoy izy.

Noho izany, mangataka amin’ny fitsarana ity vondrona ahitàna fikambana 20 isa mba hitsara araky ny fahaizana norantovin’ireo mpitsara tany am-pianarana. “Matoky ny fitsarana izahay, olona nianatra ianareo ka mahatoky izahay fa hanao ny asanareo ara-dalàna, tsy ho voatsindry ny vola sy fahefana isan-karazany”.  Mangataka ihany koa izy ireo ny hamoahana ny rariny satria “raha tena meloka Rajaonah Mbola dia misy porofo”.

 Nirina R/ Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *