Socio-eco

VILLAGE ORANGE AMBATONDRAZAKA: Mamaly ny filàn’ny mponina ireo foto-drafitr’asa


Tontosa ny 07 novambra 2020 ny fanokanana ny « Village Orange » faha-27 ao Ambatondrazaka.  Ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar no nanampy tamin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr’asa.  Fiarahamiasa  tamin’ny « Léo Club » no nahafahana niroso tamin’izany.  Lava-drano efatra mba hisitrahan’ny mponina rano fisotro madio no vita. Efitranon-tsekoly vaovao ihany koa no nanamboarina ho fanitarana ny EPP Ambaniala. Tamin’ny alalan’ity “Village Orange” ity ihany koa no nahafahana nanavao ny CSBII Ambandrika ary nahazo fampitaovana feno  avy hatrany. Fandaharan’asa  hanohanana ny lafiny sosialy sy toe-karena ho an’ny mponina ny “Village Orange” ka manampy amin’ny ampahany na feno amin’ny fanatanterahana ny foto-drafitrasa mamaly ny filàn’ny mponina any amin’ireo toerana lavitr’andriana.  Zava-kendren’ny fandaharan’asa ny  fisitrahan’ny mpiray tanana rano fisotro madio, fitsaboana ary fanabeazana. Nanomboka tamin’ny taona 2009, niompana tamin’ny fahasalaman’ny  reny sy ny zaza  ireo tobi-pahasalamana namboarina.

Ankoatra izany, notokanana tamin’io fotoana io ihany koa ny “centre de soins maman kangourou” tao amin’ny complexe Mère-Enfant  an’ny Centre Hospitalier de Référence Régionale (CHRR) Ambatondrazaka. Hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza tsy ampy lanja sy teraka tsy tonga volana amin’ny alalan’ny fomba “kangourou” ity ivon-toerana ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *