Socio-eco

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA: Mitady fiarovana manokana ny mpandraharaha


Nanatitra taratasy teny amin’ny Ministeran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ireo mpandraharaha ara-toekarena Malagasy. Mangataka  fiaraha-midinika momba ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara izy ireo.  Mihorohoro tanteraka ireo mpandraharaha manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana toy ny  fakana an-keriny. “ Hangatahinay ny  hampidirina ao anatin’ny fifampiresahana amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fikaroham-bahaolana ny tsy fandriam-pahalemana”, hoy ny Filohan’ny vondron’ny mpandraharaha Malagasy (GEM), Noro Andriamamonjiarison.   Maniry ny hanao fihaonam-be miaraka amin’ny fiarahamonim-pirenena  izy ireo. Nandray ny taratasy fangatahan’izy ireo ny Ministra Armand TAZAFY androany 08 febroary 2018. Nilaza izy fa ho jeren’ny fanjakana akaiky izany fangatahana izany. “Efa am-pijerena vahaolana amin’ity tsy fandriam-pahalemana ity rahateo  ny fitondram-panjakana”, hoy izy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *