Socio-eco

Tranon’ny mpianatra eny Ankatso: Korontana lalandava …


Misedra fandroahana ireo mpianatra sasantsasany  mipetraka amin’ny tranon’ny mpianatry ny oniversite Antananarivo eny Ambohipo, Ambolonkandrina, Ankatso I sy II. “Tsy misy ny fifampiresahana fa varavarana voafantsika no nivantanan’ireo mpianatra avy nianatra”, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra faritra terak’i Androy (FIMPITEA) teo aloha, Kalimahazo. Raha ny dingana ara-dalàna, ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra no miresaka amin’ilay mpianatra raha tsy manara-dalàna izy. Rehefa tsy manaraka ny teniny ilay mpianatra izay vao mampiakatra ny raharaha eny amin’ny tomponandraikitra mitantana ny tranon’ny mpianatry oniversitem-panjakana eto Antananarivo (CROUA).

Ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana  ihany no misitraka ireny “cité” an’ny mpianatra ireny. “Miezaka manala ireo mpianatra tsy manara-dalàna ny mpiasan’ny CROUA saingy misy amin’ireo mpianatra manara-dalàna voaraoka ao anatin’izany”, hoy i Kalimahazo. “Assainissement sauvage, sans mesure d’accompagnement” no iantsoan’ireo mpianatra izany. Araka ny fanazavan’ity mpitantana fikambanan’ny mpianatra  teo aloha ity dia ny tsy fahavitan’ireo mpianatra ny fanavaozana ny antontan-taratasy amin’ny fampiasana ny trano no antony handroahana azy ireo. Na dia eo aza izany, tokony hisy foana ny fifampiresahana fa tsy mpianatra mbola mianatra no roahina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *