Sport

« TOURNOI JUMP »: Niverina indray


2002 no nisy farany ny fifaninana « « Tournoi Jump »  izay hifaninanan’ny mpiantra eny amin’ny sekoly kolejy sy lisea amin’ny lalao basikety. Niverina indray izany tamin’ity taona ity noho ny fahatsapan’ny fikambanana Jump Basketball fa ilaina ny fitaizana ireo tanora amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Roa andro no anaovana ny fifaninana ka hanomboka amin’ny 11 atondro ny andron’ny sabotsy 13 Aprily 2019 ny fifaninana ka hifarana ny Alahady 14 Aprily 2019. Ny maraina mialoha an’io kosa anefa dia hisy ny hetsika  « sport et loisir » karakarain’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hitaizana ny tanora ahitana lalao ping pong, tenisy ambony latabatra, zomba ary fampilalaovana ny ankizy. Tsy hisy ny vidim-pidirana amin’io maraina io. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanentanana ny tanora sy fitaizana amin’ny fandrindram-piterahana. Eo amin’ny sehatry ny fifaninana « Tournoi Jump » kosa indray dia sekoly 16 no mandray an-jara ka 12 no avy eto Antananarivo avokoa, efatra avy any amin’ny faritra toa an’i kolejy St Gabriel mahajanga, kolejy David Johns Toamasina, St François Xavier Fianarantsoa ary St Joseph Antsirabe. « Betsaka no maniry ny handray an-jara kanefa noferana izany satria tsy ho vita ao anatin’ny roa andro ny fifaninana. Amin’ny manaraka kosa anefa dia ho ezahina ny hampitombo izany. Tanora latsiky ny 18 taona no afaka milalao amin’ity fifaninana ity », hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Jump Basketball, Arivelo Hajaniaina Vévé. Eo amin’ny fizotrany lalao dia 10 minitra miditra indroa amin’ny fifanintsanana  fa any amin’ny manasa-dalana sy ny famaranana kosa no 8 minitra inefatra. Marihana fa eny anelanelan’ny lalaon’ireo tanora ireo dia hisy ny fandraisana an-jaran’ireo nilalao tany amin’ny taona 1995 ka hatramin’ny taona 2002. Ankoatra izay dia hisy lalao fanomanan-tena ho an’ireo ekipam-pirenena lahy sy vavy hiatrika ny lalaon’ny nosy amin’ity taona ity. Hifanandrina amin’izy ireo amin’izany ny ekipan’ny « reste du monde ». Marihana fa tamin’ny taona 1995 no niforina ny fikambanana.

Nirina R.


One comment on “« TOURNOI JUMP »: Niverina indray

  1. Pingback: « TOURNOI JUMP »: Niverina indray - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *