Socio-eco

TANANA VAOVAO “TANÀ-MASOANDRO”: Hanomboka ny asa


“Tsy ho nofy intsony”, hoy ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny Repoblika ny fananganana tanàna vaovao nandritra ny fanokafana ny fivoriana fampahafantarana ny tetikasa “Tanà-Masoandro” sy ny biraon’ny sampandraharaha misahana ny tetikasa, ny 3 mey 2019. Namory ireo tomponandraikitra voalohany ao amin’ny ministera ny sampandraharaha miandraikitra ity tetikasa ity eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika ho fampahafantarana ny drafitry ny tetikasa sy ho fanomanana amin’ny fanantanterahana ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Nomarihin’ny sampandraharaha misahana ny tetikasan’ny filohampirenena fa teknisianina Malagasy ny ankamaroan’ireo namolavola ny drafi-panamboarana ny tanàna vaovao fa nanampy fotsiny ireo vahiny.

Tombontsoa

Velaran-tany 1 000 hektara no ho ampiasaina hananganana ny Tanà-Masoandro. Faritra ao anatin’ny kaominina Ambohidrapeto sy ny kaominina Ambohitrimanjaka no hanaovana izany. Hototofana avokoa ireo tanimbary voakasiky ny tetikasa, hoy ny mpanolontsaina manokan’ny filohampirenena Andriamanohisoa Gérard. Tany mirefy 300 hektara no ampiasaina amin’ny dingana voalohany. Mandritra ny roa taona no hanatanterahana izany. Ny fanotofana ireo tanimbary, ny fanamboarana ny arabe migodàna, ny fametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny daholobe sy toeram-pitsangatsanganana mba ahafahan’ny rehetra miserasera sy hisintonana ny mpampiasa vola no hanombohana ny asa. Nambaran’ny tomponandraikitra voalohan’ny tetikasa, Andriamanohisoa Gérard fa ho jerena manokana ny zon’ireo tompon-tany voakasiky ny asa fanamboarana. “Na io honerana ny vidin’ny taniny na hatakalo tanim-panjakana raha tian’ilay olona na hampidirina ao anatina tetikasa hafa  momba ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena”. Handray mpiasa 100.000 ny fananganana ny Tanà-masoandro eo am-pananganana ireo foto-drafitr’asa ary hamorona asa 200.000  rehefa vita izany. Mety ho iray tapitrisa Ariary ny vidin’ny iray metatra tora-droa amin’ny tany rehefa voajary. “Afaka mahazo tombontsoa amin’izay ny Malagasy amin’ny fiakaran’ny vidin’ny tany”. (…) Mponina 300.000 sy mpiasa no ho raisin’ny tanàna vaovao. (…) Hamaha ny olan’ny fitohanana lavareny ao Itaosy sy Anosizato ny fisokafan’ny lalana vaovao ary hitondra hari-karena faobe mitovy amin’ny entin’i Antananarivo Renivohitra (42 %) i Tanà-Masoandro, raha ny fanazavan’ny mpanolontsaina manokan’ny filohampirenena.

Foto-drafitr’asa

Ho hita ao anatin’ny Tanà-Masoandro ihany koa ny foto-drafitr’asa ho an’ny biraon’ny ministera rehetra, ny foto-drafitr’asa ho an’ny indostria toy orinasa afak’haba, ny foto-drafitrasa ho an’ny  raharaha sy ny varotra (centre commercial, restaurant, hôtel…), ny akademiam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, “centre de conférence”, sekoly fianarana, oniversite. Tsy volam-panjakana no vola ampiasaina amin’ny tetikasa fa mifototra amin’ny fiarahamiasan’ny sehatra miankina amin’ny sehatra tsy miankina (3P), araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany. Noho izany dia hohatsaraina ny lalàna momba ny 3P mba hanafaingana ny fifampiraharahana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *