Socio-eco

TAKAITRA NAVELAN’NY RIVO-DOZA SY ORAMBE: Asa maika ny fanarenana ireo traboina


In-droa nahita ny loza ny tany amin’ny faritra atsimo izay iasan’ny fikambanana Secours Islamique France (SIF) tamin’iny volana Janoary sy Febroary lasa iny. Tao aorian’ny fahavoazana napetraky ny rivo-doza « Eketsang » tany amin’ny fari-dranomasin’i Mozambika ny herinandron’ny 24 Janoary 2019 tany amin’ny distrikan’ny Morombe dia nisy orambe sy rivotra mahery ny 20 Febroary 2019 ka niteraka tondra-drano tany amin’ny kaominina Ambahikily, Ankatsakantsa Sud ary Tanandava Station. Tafakatra 90 sentimetatra ny haavon’ny rano vokatr’izany ka dibo-drano avokoa ireo lava-drano sy lavapiringa izay atahorana hiparitaka ny  aretina.

Asa maika

Manoloana izany dia nanolotra fitaovana « wash » hidiovan’ ireo fianakaviana traboina ireo mpiantsehatra amin’iny faritra iny. Nandray an-tànana tamin’ny fandritràna ny rano miandrona ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny fambolena sy ny fiompiana ao amin’ny Morombe. Na dia aza izany dia mbola betsaka ny fanampiana ilaina ho fanarenana ireo traboina amin’ny lafiny trano fonenana satria misy amin’ireo traboina no matory eny amoron-dàlana, amin’ny lafiny fiodiovana sy fahadiovana, amin’ny lafiny ny fahasalamana fa indrindra ny sakafo.  Ny fanamboarana ny trano fonenan’izy ireo, fanadiovana ny lava-drano, famatsiana ara-tsakafo no ahafahana mamerina amin’ny laoniny haingana ny fiainan’izy ireo. Asa maika tokony atao ihany koa ny fanohanana azy ireo mba ahafahana manainga indray ny  asa fambolena sy hamerenana amin’ny laoniny ny fianaran’ny ankizy.

Takaitra

Namela takaitra ho an’ny kaominina Ambahikily sy Tanandava Station iny  rivo-doza sy orambe iny. 9 849 ny isan’ny traboina ka olona 3789  tsy manan-kialofana,  olona miisa 1049  nafindra toerana. Trano fonenana an-jatony potika sy rava noho ny fandalovan’ny rivo-doza Eketsang. Tanimboly mirefy 3000 hektara, ny 85 % ny tanim-boly an’ireo mpamboly miisa 7 400 no dibon-drano. Lava-drano 390 ihany koa no difotry ny rano ary tsy azo ampiasaina intsony ireo efitranon-tsekoly miisa 33  ka mpianatra 4 730  no tsy afaka mianatra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *