Socio-eco

STARTIMES: Handefa ny horonantsary mitohy « RHIAN » amin’ny teny malagasy


Tantaram-piainan’ny zanaka vavin’ny jeneraly. Miavaka amin’ireo horonantsary mitohy efa nalefan’i Startimes ny “série” mitondra ny lohateny hoe “RHIAN”. Horonantsary filipiana, nadika tamin’ny teny malagasy izy ity. “Zanaka vavin’ny jeneraly” ny lohateny nampitondraina azy  ity fa rehefa nadika tamin’ny teny gasy dia lasa natao hoe RHIAN”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes, ny 24 septambra 2021. Nambaran’i Zafera Joyce fa ho hita ao anatin’ity série ity avokoa ny fiainana miaramila, ny resaka fitsikolovana,  ny fihetseham-pon’i RHIAN noho ny fitiavany ny mpiara-miasa aminy iray fa indrindra ny fifandrasainy amin’ny rainy nanangana azy. Nanomboka tamin’ny fahazazany dia efa novolavolaina ho olona hanao valifaty i RHIAN. Manomboka ny 27 septambra 2021 amin’ny 7 ora sy sasany alina ao amin’ny chaîne GasyStar no ahitana izany. Chaîne 108 raha TNT ary 788 raha satellite. Alatsinainy ka hatramin’ny zoma dia horonantsary 45 minitra no handeha amin’ny Startimes. Misy ny famerenana ny ampitso isaky ny amin’ny 1 ora latsaka fahefany sy ny asabotsy sy alahady manomboka amin’ny 7 ora alina. Ny Startimes irery ihany no mandefa azy ity. Novela malaza sy efa nibata amboara 20  tamin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy tantara ity ary anisany be mpijery indrindra teo amin’ireo firenena afrikana mampiasa ny teny anglisy. Niara-niasa tamin’ny trano mpamokatra malagasy malaza ny Startimes tamin’ny fandikàna azy tamin’ny teny gasy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *