politique

Solombavambahoaka Vololona : Mitaky fifonana ampahibemaso


Efa fanaon’ny solombavambahoaka Vololona Raherisoa lany teny amin’ny boribory tany faha enina tamin’ny alalan’ny MAPAR ny manao tatitra amin’ny vahoaka nifidy azy rehefa vita ny fivoriana teny amin’ny Antenimierampirenena. Lalana 13 no nolaniana tamin’ireo fivoriana tsy ara-potoana in-efatra miantoana ireo. Ankoatra ny lalàna fehizoro telo momban’ny fifidianana, nolaniana ihany koa ny ZES na « faritra ara-toekarena manokana », lalàn’ny Air Madagascar, ny resaka herin’aratra…
Nokianiny ny hetsika hataon’ireo solombavambahoaka eny Analakely amin’ny Sabotsy 21 Aprily 2018 nanohitra ny lalàna fehizoro momban’ny fifidianana. « Tokony any amin’ny toerana nahalany azy ny solombavambahoaka tsirairay no manao tatitra », hoy hatrany izy.
« Manala baraka amin’ny maha solombavambahoaka ny teny navoakan’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena an’ Antananarivo izay nilaza fa nompiana izy ireo teny amin’ny Paon d’ or ». Ny biby no atao an’izany ka mangataka fifonana ampahibemaso izy. Nomarihany fa tsy nisy mihitsy izany fizarana vola izany fa fivoriana nanaovana paikady mba andaniana iny lalàna fehizoro momba iny fifidianana iny no natao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *