Socio-eco

SOCOLAIT: Mampianatra ny mpiompy hahay hikajy ny fandaniana


Ronono 12.600 litatra isan’andro no voaangon’ny orinasa Socolait. Mpiompy ombivavy be ronono ao amin’ny faritra vakinakaratra miisa 2280 no miara-miasa aminy. Tao anatin’izay 15 taona niasany teto Madagasikara tamin’ny fanodinana ny ronono ho lasa vokatra hafa dia nandray anjara tamin’ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra ny Socolait. Ohatra amin’izany ny fanohanana ireo mpiompy omby manatitra ronono ao amin’ny orinasa. “ Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra izahay amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ireo mpiomby omby momban’ny fahasalaman’ny omby, ny sakafo omena azy”, hoy ny teknisianina misahana ny fanangonana ny ronono, Kanto Baonoro.
Manampy ny mpiompy hahay hikajy ny fandaniana ihany koa ny orinasa Socolait. Nambaran’ny teknisianina fa tanjona hahakely ny fandaniana fa betsaka kosa ny tombom-barotra. Mampiranty ireo vokatra avy amin’ny ronono eny amin’ny “foire internationale de l’agriculture” andiany faha-roa ny orinasa. Hita eny amin’ny Forello Tanjombato avokoa ny vokatra Socolait toy ny “yaourt” sy “fromage”. Hifarana ny alahady 16 septambra 2018 ny hetsika.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *