Socio-eco

S’MBA : Hetsika fampahafantarana ny fikirakirana ny vola .


Hifarana ny 29 novambra 2017 ny hetsika natokana ho an’ny orinasa fampindramam-bola mandinika, ny banky ary ny fiantohana (S’MBA). Mampahafantatra ireo tolotra ara-bola isan-karazany omeny ny mpanjifa ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity. Hita eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely avokoa ny fomba fampiasana ny vola toy ny fitehirizana azy, ny fanodinana azy amin’ny seha-pihariana, ny fampindramam-bola…
Noho ny fivoaran’ny teknolojia, misitraka ny tombontsoa amin’izany ny vahoaka Malagasy. Tsy mila mandeha lavitra vao afaka mandefa na mandray vola. Alefa amin’ny alalan’ny finday fotsiny dia vita. Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny fikirakirana ny vola amin’ny alalan’ny finday (mobile banking). Mampahafantatra ny andinindininy momba izany ny Airtel mandritra ny S’MBA. Hanoro ny mpitsidika ireo tolotra amin’ny fampiasana ny Airtel money ny orinasa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *